Dans la mme rubrique

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

21/02/2020

Nambaran’Atoa Jean-Yves Le Drian, minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay omaly nanoloana ny mpanao gazety fa mitohy ny fifampidinihana ny amin’ny famerenana ny « Iles Eparses » ho an’ny Malagasy.

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

21/02/2020

Navoakan’ny fampahalalam-baovao iray omaly fa voatendry ho Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo Atoa Andriatongarivo Nasolo Tojonirina,

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

21/02/2020

Ny atao hoe fitsinjaram-pahefana mahefa dia fahefana ara-politika, ara-pitantanana ary ara-bola.

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

21/02/2020

Misy andiana « Assistant parlementaire », mpiara-miasa akaiky amina solombavambahoaka, mitaraina fa 100 000 Ar no mba tambin-karama omen’ny depiote azy ireo, raha tokony 460 000 Ariary izany.

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mihary Andriantsilavo Vonona hampandroso an’Ambohidrapeto

21/10/2019

Vonona hitondra fampandrosoana sy ainga vao ho an’Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano Atoa Andriantsilavo Mihary,

 

 

kandida tokana natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara eny an-toerana.  Asa maro no laharam-pahamehana ho azy sy maika raha vantany vao lany eo ny tenany, raha araka ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ireny ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana mba hahafahan’ny mponina ao Ambohidrapeto miaina am-pilaminana. Vao tapa-bolana lasa mantsy izay no nisy andian-jiolahy nanafika teny amin’iny faritra iny ka lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny volabe. Toraka izany koa ny  ady amin’ny haizina.  Mbola maro amin’ireo mponina eny an-toerana toy ny ao amin’ny  fokontany Antsahamasina mantsy no tsy manana herinaratra hatramin’izao  raha mbola hifampitadiavana ihany koa ny rano fisotro madio.  Vonona ny hanova ny tantaran’Ambohidrapeto amin’ny alalan’ny famahana ireo santionana olana ireo ny kandida Andriantsilavo Mihary  izay marihina fa mahay, mahavita ary mahalala, antony nisafidianan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana azy.  Laharana fahefatra moa ity kandida ity ho an’ny kaominina Ambohidrapeto izay hilatsahany raha laharana fahefatra ihany koa ny mpanolotsaina miaraka aminy. Tsiahivina fa efa nanamboatra lalankely, nizara fanampiana ho an’ny zokiolona, nanamboatra lava-drano… ity kandida ity  talohan’izao maha kandida azy izao.

 

Pati

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana