Dans la mme rubrique

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

20/02/2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay lehilahy izay voarohirohy ho mpangala-jaza izay nosamborina tetsy Ambilanibe.

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

Hamaky ny tohiny...

RAZANA NITERAKA OLANA

18/02/2020

Lehilahy iray no nisy nandevina tao amin’ny tranony tetsy Alasora.

RAZANA NITERAKA OLANA

Hamaky ny tohiny...

FILANKEVITRY NY MINISITRA

30/01/2020

Nanome toromarika ny governemanta nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny filoham-pirenena.

FILANKEVITRY NY MINISITRA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

29/01/2020

Mahakasika ny fanovàna governemanta izay tsy ho ela intsony dia fantatra fa minisitra telo no avy amin’ny filoha telo aloha Ravalomanana ary ny roa kosa dia avy amin-dRajaonarimampianina

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

Hamaky ny tohiny...

TANIM-PANJAKANA

16/01/2020

Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly fa antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teoanivon’ny

TANIM-PANJAKANA

Hamaky ny tohiny...

MBOLA NIFETY IHANY

13/01/2020

Na dia efa nilaza aza ny fanjakana fa tsy hisy ny fetin'ny fankalazana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, misy amin'ny sampan-draraharaha ao amin'ny fitondrana maro ihany no manao fety.

MBOLA NIFETY IHANY

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

10/01/2020

Valo lahy mitazona basy marovava na kalachnikov no nanafika ny toeram-pivarotana enta-madinika iray tetsy Ambohijanaka.

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FIFAMOIVOIZANA Feno kamiao miditra eto an-drenivohitra amin’ny ora tsy

18/10/2019

voafetra. Izany no isan’ny miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana manerana ny tanàna.

 Lasa gaboraraka tanteraka ny fivezivezen’ireo fiarabe izay tokony ho amin’ny alina ihany  vao afaka miditra eto an-drenivohitra. Eny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, toa an’Ankadimbahoaka sy Andoharanofotsy ary mipaka hatreny Tanjombato dia izy ireo avokoa no mameno ny lalana ankehitriny. Mila mandray fepetra hentitra fa sempotra Antananarivo izay mila fandaminana matotra.

CAMERA DE SURVEILLANCE

 Manomboka eto dia ny « caméra de surveillance » mipetaka eny amin'ny lalana amin'izao no hangalana ny porofo rehetra hanaovana fanadihadiana momba ireo loza miseho eny amin'ny lalana. Hanalefahana ny fitohanan'ny fifamoivoizana ihany koa izy ireny na dia tsy mbola hahasahana an’Antananarivo manontolo aza. Nametrahana koa etsy Ampasampito izay faritra mbola ahitana fitohanana goavana. Enga anie ka tsy ireo fitaovana ireo indray no mbola hisy hangalatra koa.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

 Tanora miisa 22 no indray naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany akaikin’i Port Bérgé. Izy ireo dia eo anivon’ny Sampana Tanora Kristiana (STK) ao amin’ny fiangonana protestanta ao Antalaha. Notaterina tao amin’ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra izy ireo ary ny fiangonana Zoara ao Mampikony no nanampy ireo naratra tamin’ny fiantohana ny rehetra
.

LALANA ETO IARIVO

 Efa feno dian-kodiarana sahady ireo lalana vao nolalorina teto an-drenivohitra. Vao miala kely eo izany ireo mpanao lalana dia efa misy manararaotra mampiasa sahady ny lalana kanefa tsy maina ny « goudron » na « bêton » izay nanamboarana azy. Rariny ihany ilay sinoa izay sefon’ny fanamboarana tetsy Ankadimbahoaka raha nahavita nikasi-tànana ilay olona tsy nieritreritra akory fa avy dia nitondra ny fiarany teo amin’ny lalana tsy mbola vita. Mila andrasana toy ny omby ve ?

TAOLAM-PATY

Taolam-paty amin’ny gony maromaro no tratra tetsy Miarinarivo. Mbola betsaka ihany izany no voafitaka amin’ity raharaha iray ity satria hatreto dia tsy nisy fanadihadiana ara-tsiantifika mihitsy izay nilaza fa misy ilàna azy ny taolam-paty. Tamin’ny tranga maro izay efa narahana rahateo dia tsy hita akory ny tena mpividy any amin’ny farany. Ireo mpitatitra sy mpamaky fasana hatrany no tratra farany ary tsy mahafantatra akory ny mpaniraka azy.

FANAFODY DIABETA

Sasa saro-tadiavina koa izao ny fanafody « Insuline » izay natokana ho an’ireo mararin’ny

Diabeta. Tsy misy fanazavana akory na inona na inona eny amin’ny farmasia sy ny hopitaly fa dia hoe tsy misy fotsiny. Mitaraina ireo mararin’ny diabeta satria tsy azo ajanona izy ireny fa mety mitarika ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy avy hatrany ary izany indray avy eo no mety hanimba ny voa, io farany izay tsy misy fanafodiny eto amintsika.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana