Dans la mme rubrique

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

12/11/2019

Taorian`ny fanapahan-kevitra noraisin`ny fanjakana momba ny raharaha Fanirisoa Ernaivo, dia naheho ny tsy fahafaliany ireo mpanara-dia azy.

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

12/11/2019

Nitory any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina mba hanintsanana ny kandida laharana faha-4 Randrianasolo José Clément, izay atolotry ny IRD ao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Brickaville ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

Hamaky ny tohiny...

Kandidà Tonton Josè “Soalandy Mifankatia sy Miara-miasa no Mandroso”

12/11/2019

Tsy mba misora-tena toa voatango na midera tena toa papelika ny kandida Herinaivo Ravaojanahary, raha eo amin’ny lafiny asa fampandrosoana ny tanàna no resahina.

Kandidà Tonton Josè “Soalandy Mifankatia sy Miara-miasa no Mandroso”

Hamaky ny tohiny...

Fanotana ireo bileta tokana Ho vita anio 12 novambra

12/11/2019

Ho vita tanteraka anio 12 novambra ny fanotana ireo bileta tokana ilaina sy ampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina izay atao ny 27 novambra ho avy izao,

Fanotana ireo bileta tokana Ho vita anio 12 novambra

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany voalohany Saika HVM sy TIM avokoa ireo sefo fokontany nesorina

12/11/2019

Sefo fokontany miisa 13 amin’ireo fokontany miisa 44 mandrafitra ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra no nesorina sy nosoloina tamin’ny toerany ny herinandro teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Boriborintany voalohany Saika HVM sy TIM avokoa ireo sefo fokontany nesorina

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Tsy arakaraky ny kabary ny asa…

12/11/2019

Mihazakazaka amin’ny fampanantenana hatrany ny filoha Andry Rajoelina, saingy tsy arakarak’izay ny zava-misy.

Andry Rajoelina Tsy arakaraky ny kabary ny asa…

Hamaky ny tohiny...

Dede Ankadimanga “Hatao Mangarahara ny fitantanana »

12/11/2019

Anisan`ireo kandidà ben`ny tanàna tohanan`ny antoko Tia Tanindrazana Rakotondrafara Jean De Dieu na “Dede”, mitondra ny lah. faha-06 ao amin`ny kaominina Ankadimanga.

Dede Ankadimanga “Hatao Mangarahara ny fitantanana »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mamofompofona hala-bato Raikitra ny fanoloana sefom-pokontany…

17/10/2019

Mandeha indray ny fikotrehana fanoloana sefom-pokontany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ben’ny tanàna izao noho ny kajikajy politika maloto.

 

 

 

 Any amin’ireo Kaominina izay atahorana ho resy ny kandidan'ny IRK (IRD) no tena hisehoan’io. Efa mahoraka fa hosoloina ny eny Ivato-Ambohidratrimo, ny teny Sabotsy Namehana efa nisy nosoloina, ny eto Antananarivo dia isan’ny gidragidra amin’izao fotoana izao ny etsy Mahavoky,… Tany amin’ny fifidianana solombavambahoaka dia efa nisy fanoloana sefom-pokontany maro teto Antananarivo tao amin’ny Boriborintany faha-5 izay niteraka adihevitra tamin’izany fotoana. Tsara ho fantatra anefa, araka ny loharanom-baovao, akaiky ny CENI, fa efa nangataka tany amin'ny ministeran'ny Atitany ny CENI mba tsy hanoloana ireo sefo fokontany sy « chef d'arrondissement administratif » amin'izao ankatoky ny fifidianana izao, mba tsy hanakorontana ny zotram-pifidianana. Tsy “agent electoral” miantsoroka mivantana ny fifidianana ny sefom-pokontany fa izy kosa dia isany manatitra voka-pifidianana any amin'ny SRMV miaraka amin'ny delege. Miteraka ahiahy amin’ny ho fahadiovan’ny fifidianana hatrany ny tranga tahaka izao, ary efa misy antoko mampiaka-peo ihany koa manoloana ny fisiana sefom-pokontany miaraka amina kandida mandritra ny “pré-campagne”. Ny zava-niseho hatramin’izay rahateo toa zary manome leson-dratsy ny mpanao politika hoe hadalan’izay tsy hangalatra sy tsy handika lalàna, raha tarafina amin’ny azo raisina fa tsy mitombina setriny amin’ny fitoriana samihafa. Zary ireo mahatsiaro lasibatra no mahazo tsiny amin’ny filazana fa tsy mahafeno fepetra ny fitoriana, eny fa na dia mpahay lalàna ambony izao aza ny an’ny sasany no mandrafitra izany. Mila jerena akaiky ity raharaha sefom-pokontany ity, raha tena mitady fahadiovan’ny fifidianana marina.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana