Dans la mme rubrique

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

29/09/2020

Nanomboka omaly 28 septambra-04 oktobra ny hetsika fanentanana ny daholobe hiompy sy hanao vaksiny ny alika, ka isan’ny miantsoroka sy manome vahana izany ny Minisiteran’ny fahasalamana. Isan’ny paikady misoroka aretina maro ho an’ny alika ny famosirana azy.

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

16/10/2019

Fiverenana an-doharano. Manoloana ny tsy fanarahan-dalana hita eo amin’ireo mpitandro filaminana, tapa-kevitra tanteraka ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa atomboka amin’ireo mpianatra ny fisorohana izany.

 

 

 Ho fanamafisana ny fanofanana ireo mpianatra ho komisera sy ofisie eny Ivato dia nanazatra amin’ny fomba fitantanana ny kaomisaria.

Nampiainina azy ireo ny fizotry ny asa sy ny tranga rehetra ao amin’ny kaomisaria iray tahaka ny fandraisan’olona, indrindra ireo hametraka fitarainana, ny fandrindrana ny fifamoivoizana, ny fanaraha-maso ny fandriampahalemana, ny fandraisana fepetra manokana manoloana ireo polisy mihoa-pefy sy mandika lalàna, ny fanajana ny zon’olombelona ao anatin’ny fanatanterahana ny asa, ny fandraisana an-tanana sy fandrindràna ireo olona mamo sy mpanakorontana, ny fandridràna ireo korontana na olona mikomy eny amin’ny kaomisaria.

Mijery sy manoro hevitra mandritra ny fanazarana ireto mpianatra ireto ny lehiben’ny kaomisaria izay efa am-perinasa, ary mitondra ihany koa ny traikefan’izy ireo ao anatin’izany.  Voalaza mantsy fa ny kolikoly sy ny fanabeazana ary ny ohatra ratsy omen’ireo zokiny matetika no heverin’ny olompirenena fa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana izay saika ahitana mpitandro filaminana ao ambadik’izy ireny. Vao ny herinandro teo ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no nilaza fa 37 ny miaramila naiditra am-ponja, 57 kosa ny zandary raha 15 ny polisy noho io tsy fanarahan-dalana io.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana