Dans la mme rubrique

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

18/11/2019

Teo am-panaovana biriky no nilatsaham-potaka ny raim-pianakaviana iray ka maty tsy tra-drano, tao Didy Ambatondrazaka.

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

 

 

 

 Entana sarobidy maro iray kamio tokony ho any Antsiranana ity nizotra nankany amin’ny lalam-pirenena faha-7 ity. Ny 8 oktobra teo no nitondra entam-barotra mampisalasala tamin’ny lalam-pirenena faha-7 io fiarabe io.  Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny zandarimariam-pirenena. Voalaza tamin’izay fa tsy nisy tompony ireo entana ka ny fiara no voasakana teo Ambatolampy, faritra Vakinankaratra.

Tratra tamin’izany ny entana lafo vidy maro tsy nahitana taratasy tahaka ny môtô iray, vata fampangatsiahana roa, baoritra 42 feno lovia,  baoritra 127 izay fonosana « careaux » sy 136 singa, seza plastika miisa 177, nahitana fonosana  7 ana valindrihana mangirana vita tamin’ny plastika, loko tamin’ny boaty mitotaly 33 sy loko 150 isa anaty sase miaty 10 litatra, fantsona 42, siny  plastika 705, koveta 612, fasiana lamba 39 sy entana maro hafa.  

Tamberintany

Araka ny tafa manokana nifanaovana tamin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena, hiakatra fampanoavana ato ho ato ny raharaha. Efa miha mazava ihany koa ny taratasin’ireo entana ireo nony tonga ny tompony, saingy mbola fanina hatrany ity farany amin’ny fihodinkodinan’ny entam-beny toy izao izay mitentina an-tapitrisany ariary maro no tratran’ny tamberintanin’ny halatra.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana