Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

 

 

 

Raha tsy misy ny fiovana dia anio no hiakatra fampanoavana. Ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo no tsikaritry ny fianakaviana nijery taratra teny an-toerana. Ankoatra ny fahitana maso azy kaodikaody sy nivezivezy teny an-toerana, ren’ny fianakavian’ny lasibatra ny feony tamin’ny finday niantso olon-kafa fa “mety tsy poinsa kanefa miankina amin’ny ray aman-dreniny ihany”.

Ankoatra io ihany koa dia nandeha ny feo ary tonga tany am-pototsofin’ny lasibatra fa mikononkonona fakana an-keriny ny olona vitsivitsy fa tsy fantatra raha ho tanteraka.  Noraofina natao fanadihadiana ihany koa ireo. Ankoatra izay, tao ireo mpanera izay nahitana olona roa, tao koa ireo mpanara-maso sy mpanome vaovao, indrindra ny mpanatanteraka ka ny fitambaran’izy ireo no nanome io isa folo io.

Raha ny vaovao ofisialin’ny zandary Ambohimangakely, taorian’ny fizaham-pahasalaman’ny mpitsabo teny an-toerana dia tsy misy ahiana ny aina sy ny fahasalaman’ilay zaza na dia mavesatra ao amin’ny sainy aza ny tranga izay mbola mampitomany azy tamin’ny nanasitrihana azy tany Ambohimalaza. Tsiahivina moa fa tsy mbola nisy vola lasan’ireo mpaka an-keriny tamin’ilay 14 tapitrisa ariary notakiany saika horaisiny teny amin’ny “cash point” by-pass, afak’omaly tamin’ny 10 ora sy sasany.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana