Dans la męme rubrique

Fanorenana maha very hevitra

22/09/2020

Malaza indray ankehitriny ny resaka fifidianana. Malaza toy ny mahazatra rehefa misy izay resa-pifidianana izay ihany koa ireo karazan-drafitra iangonan’ny

Fanorenana maha very hevitra

Hamaky ny tohiny...

Miandry ny anjara masoandrony

15/09/2020

Mbola tsy hita be eny ihany, hoy ny mpanao politika iray izay, ny hiafaran’ity resaka Coronavirus eto Madagasikara ity.

Miandry ny anjara masoandrony

Hamaky ny tohiny...

Hanome sa omena lesona ?

14/09/2020

Kizarazara etsy, fitokatokanana eroa, fampantenana mitosaka na aiza na aiza aleha,…

Hanome sa omena lesona ?

Hamaky ny tohiny...

Ho loza raha tsy mitandrina

11/09/2020

Tsy hita be ihany izay lalana hizoran’ity firenentsika ity. Toa efa afa-bela amin’ny valanaretina, kanefa mampanahy ny zava-misy hoe: tena efa tafavoaka ny ala tokoa ve?

Ho loza raha tsy mitandrina

Hamaky ny tohiny...

Maika tsy faingana

10/09/2020

Enga anie mba hifarana tanteraka ity fahamehana ity ary hangatahana amin’ny Mpahary mihitsy moa ny haha fongana tanteraka iny aretina nanakorontana ny fiainam-pirenena iny sy ny tsy hiverenan’izany eto intsony

Maika tsy faingana

Hamaky ny tohiny...

Fanabeazana no fanalahidy

09/09/2020

Mafana n heviny ny olom-pirenena, samy manana ny fomba fijeriny sy ny fahatakarany fifandirana ara-politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Samy manana nyy.

Fanabeazana no fanalahidy

Hamaky ny tohiny...

Miandry fitsaharana

08/09/2020

Miditra amin’ny ahamehana ara-pahasalamana andiany faha 13 isika ankehitriny.

Miandry fitsaharana

Hamaky ny tohiny...


Edito

Edito Miandry ny vahoaka

16/10/2019

Nisy habaodoana nokoloina teny foana mba ho moana ny vinany ary jenjina ny saina, hoy ny mpahay tantara sady poeta, iray izay.

 

 

Rehefa dinihina tokoa ny raharaham-pirenena dia hita ho tsy mitsahatra miaina amin’ny eo ihany no eo ny malagasy tao anatin’izay taona maro nanomezana fahaleovantena azy izay. Fiteny rahateo koa moa ilay hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Ny mpitondra dia mbola tsy mitsahatra ny manome tsiny mpanohitra hatrany ary ny mpanohitra dia manohitra ny fanatanterahana ireo tetikasa kasain’ny mpitondra hotanterahana. Raha ny maso mijery sy sofina mihaino aloha dia izay hatrany no fiverenan-kira nitranga teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny andron’i dadabe Tsiranana no ho nankaty. Mampametra-panontaniana sy mampanahy mihitsy hoe sao dia anisan’ireo lova napetraky ny mpanjanaka ihany koa ary hatramin’ny resaka fanohanana sy fanoherana fitondrana eto Madagasikara. Toa ny eo ihany no mihodinkodina ? Etsy an-kilan’izany rehetra izany moa, mba tsy hilazana hoe etsy an-tsisin-tosy, dia miandry ny vahoaka. Miandry izay mba masoandro mihiratra kely ao am-bilaniny sy ao an-tokantranony ao manoloana ny raharaham-pirenena izay mahafanina azy. Efa jenjina tokoa angamba ny saina ka tsy afaka andefasana vinany hitsinjovana lavitra intsony vokatr’ilay fahantrana novolen’ny mpanjanaka sy ny mpanao politika hikoloan’izy ireo ilay habadoana voalaza teo. Ho avy tsy ho ela indray ity ny propagandy ka asa indray izao izay mbola hofitahana. Hifoha amin’izay ve ny valalabemandry ka hahatsapa tokoa fa nisy habadoana nokoloina teny foana mba ho moana ny vinany ary jenjina ny saina ?

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana