Tranga
TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina
15/10/2019
Efa naverina amin'ny tompony ao Satra Tanandava ny omby miisa 56 raha maty voatifitra ny 3.
Nindaosin’ny fahafatesana noho ny tifitr’ireo dahalo kosa ny mpiandry fahitra iray. Io no vokatry ny fanafihan-dahalo miisa 10 mitam-piadiana tao Satra, kaominina Tanandava, Bekily. Lasan'ireo dahalo ny omby miisa 59, ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy teo. Raha vao nahare izany ny zandary avy ao Bekily dia nidina tany an-toerana notarihin'ny Lietena lefitry ny komandin'ny kaompania sy ny zandary avy ao Beraketa ary ireo zandary Mpiana-draharaha an’ny 74eme Cours avy ao amin'ny CSAO Imanombo izay manao fampiharana avy hatrany. Tao amin'ny kizo Ampandrandava kaominina Beraketa no nifanehitra tamin'ireo dahalo izy ireo ny marainan'ny 14 oktobra 2019 ka raikitra ny fifampitifirana. Resy tosika ireo dahalo ka navotsotr'izy ireo ny omby halatra. Nandositra moa izy ireo ary mbola mitohy ny fanarahan-dia. Nanome toky ny fianakavian’ny lasibatra ny zandary fa tsy maintsy ho tratra ireo nahavanon-doza. Nahazo vahana indray tato ho ato ny tsy fandriampahalemana, tsy an-drenivohitra tsy ambany ravinkazo.
Haja Nirina