Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Hiondrana any Italia an-tsokosoko Kaomorianina 2 sarona tany Nosy Be

11/10/2019

Teratany kaomorianina roa nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Italia sy tsy manana taratasy ho eto Madagasikara no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sisin-tany PAF Nosy Be, ny 8 oktobra teo tamin’ny 6ora sy 30mn maraina.

 

 Nampiasa pasipaoro misoratra amin’olon-kafa sy nanao kolikoly. Nilaza ny lehilahy kaomorianina iray fa pasipaoron’ny kambana aminy mipetraka any Italia no saika hoentiny hivoaka an’i Madagasikara. Nanatona am-pahatsorana ny kaomisera lehiben’ny PAF any an-toerana izy ka nanolotra vola mitentina 1 300 Euros na 5 tapitrisa ariary mahery mba ho tambin’ny famoahana azy ho any Italia amin’ny alalan’ilay pasipaoro.

Mody nanaiky ny lehiben’ny PAF Nosy Be saingy nony tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina dia nosamborina avy hatrany izy niaraka tamin’ny namany iray mpiray tsikombakomba taminy. Ny mpiray tsikombakomba taminy dia tsy manana taratasy ara-dalàna amin’ny fipetrahany eto Madagasikara. Nampiasa kara-panondro hosoka ihany koa ny tenany entiny hivezivezena eto Madagasikara. Taorian’ny fanadihadiana natao dia natolotra ny fampanoavana any Nosy Be izy ireo ary nidoboka am-ponja vonjimaika

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana