Dans la męme rubrique

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanendahana ao Mahajanga Tratra ireo nahafaty mpialasasatra

11/10/2019

Misy faritra mena fanendahan’ireo jiolahy mpanindrona antsy any Mahajanga, tahaka ny any Tsararano.

 

 

 Ireo mpialasasatra no tena hazain’ireo olon-dratsy ary vitan’izy ireo ny mandatsaka aina. Ny alahady 22 septambra tokony tamin’ny 9 ora sy sasany alina dia nisy mpanendaka telo lahy nisakana olona  telolahy hamonjy fodiana nandalo teo amin’ny Pont blanc Tsararano, Nosikely Mahajanga ka lasan'ireto jiolahy ny finday ary mbola notsindromin’ireto mpanendaka ny antsy ity tompona finday. Naratra mafy ity farany ka nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tratra intsony ny ainy.

Ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva anefa dia nahatratra mpanendaka iray teny akaikin’ny Pont blanc indray ny polisy ka rehefa natao ny famotorana an’ity mpanendaka ity dia fantatra fa izy no tompon’antoka tamin’ny tsindron’antsy sy vono olona niseho teny amin’ny Pont blanc ary fantatra ihany koa fa mbola voarohirohy amin’ny resaka vaky trano ihany koa ity lehilahy ity. Manamaloka ny filaminan’i Mahajanga izay fanaovana vakansy ny tranga toy izao. Araka ny voalazan’ny mponina any an-toerana, fadiana ny mandeha irery amin’ny toerana mangina na atoandro be nanahary aza, indrindra ho an’ireo mpiavy na mpandalo amin’izao fialantsasatra izao.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana