Actualits
“Miss Madagascar” tratry ny antsojay Manome 5 andro ireo komity mpikarakara
11/10/2019
Niteraka resabe teto amintsika, andro maromaro lasa izay, ny mikasika ireo tovovavy tsara tarehy amam-bika na “Miss Madagascar”
lany nefa tsy afaka misitraka araka ny tokony ho izy ny zony na voailika mihitsy raha izay no azo ilazana azy. Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo voakasika omaly tetsy Antanimena ka mangataka ny hanafoanana ilay komity mpikarakara “Miss Madagascar” ankehitriny io. Tamin’ny ankapobeny, samy nisedra olana tamin’ity komity ity avokoa izy ireo taorian’ny nahavoafidy azy ho “miss” ka anisan’ireny ny fanalan’ny komity ny satro-boninahitra amin’ny maha miss azy sy ny fandrahonana nitohy ny amin’ny hanalan’ny komity ny samboadin’izy ireo. Tsy lazaina intsony ny olana madinika niainan’izy ireo toy ny tsy fahafahany manao asa hafa raha tsy hiaraha-midinika amin’ny komity… Miantso fifampiresahana amin’ny komity Miss-Madagascar ankehitriny izy dimy mirahavavy lany Miss ireto sady mangataka ny hisian’ny Miss tranainy ao anatin’ny komity ihany koa ho fanajana ny zon’izy ireo. Dimy andro no omeny ity komity mpikarakara azy ireo ankehitriny ity mba hamaliana ny hetahetany. Raha sanatria tsy tanteraka dia fantatra fa hiakatra amin’ny dingana ambonimbony kokoa izy dimy mirahavavy ireto.
Pati