Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tanà-Masoandro Misy afera tsy mazava

10/10/2019

Mitentina 2.575 lavitrisa Ariary na 650 tapitrisa Euros eo, izay manome antsasaky ny fitambaran’ny tetibolam-panjakana taona 2019 ny vola ilaina amin’ny tetikasa Tanà-Masoandro.

 

 Ny fanotorana tany no tena mahamaika ny fitondram-panjakana. Ahoana ny loharano sy fombafomba mikasika ny famatsiam-bola ? Vola tokony haverin’ny taranaka faramandimby misesy ve ? Amin’ny endriny inona raha toa ka notrosaina araka ny mety ho fisehony ? Ny 26 jolay 2019, dia nisy mpiandraikitra nilaza fa « mpampiasa vola 21 no efa nilaza fa handray anjara». 370Ha no nambara fa hatao, ary lasa 100Ha indray ankehitriny; ny 20 septambra, dia nisy andiana sinoa nitsirika ary nolazaina fa vonona amin’ny fiaraha-miasa hanatanterahana ny Tanà-masoandro. Aty amin’ny 8 oktobra, dia nilaza ny minisitry ny fanajariana tany Atoa Hajo Andrianainarivelo fa tafiditra ao anatin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa TaTom iarahana amin’ny Japoney indray io. Ny tetikasa ataon’izy ireo, izay efa vita fanadihadiana tany aloha niarahana tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ka asa na nasisika tao ny Tanà-Masoandro na ahoana? Misy ifandraisany amin’ny Frantsay sy tambiny amin’ny Nosy Eparsa ihany koa ve io ? Raha fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina, dia tapitra miaraka amin’ny « Accord de Cotonou », ary mila havaozina indray, izay tsy vita ao anatin’ny fotoana haingana. Nambara fa efa vonona ny mpamatsy vola saingy tena hafahafa ny toe-draharaha, ary tsy tongotonga ho azy ny resaka fananganan’ny Filoha « fondation », izay ambara fa hahafahana manao tetikasa maro, toy ny oniversite IEM raha toa ka nambara ny 28 aprily nandritra ilay tatitry ny 100 andro nitondrana fa hofoanana ny antenimierandoholona ka ny vola avy amin’io no hananganana « Université spécialisés » isaky ny faritra. Zavatra roa samy hafa ve ilay resaka  oniversite sa ahoana ? Tsy misy làlam-bola mazava ka mampanahy tanteraka ny resaka famarotan-tanindrazana ao anatin’ny raharaha Tanà-Masoandro na koa ireo tetikasa hafa aza satria tsiahivina hatrany fa ny 3 novambra 2018 Atoa Andry Rajoelina dia nilaza ampahibemaso fa hivarotra tany. 100ha ohatra, dia hahavita tetikasa lehibe, raha ny nambarany. Tamin’ny fampielezan-kevitra ny fifidianana fihodinana faharoa ihany anefa no nilazana fa « tsy haka ny tanin’ny Malagasy na oviana na oviana ». Hanome aza no nolazaina, ka nilazana tany Alaotra fa homena 10Ha avy ny tanora tsy an’asa. Hafahafa ny fandehan-javatra!

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana