Dans la męme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanĂ na vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mpanara-maso ny fifidianana Safidy Nahazo famatsiam-bola 520 000 Euros

10/10/2019

Anisan`ny mpiara-miombon`antoka akaiky amin`i Madagasikara amin`ny fanatontosana ny fifidianana rehetra eto amintsika ny Vondrona Eoropeanina.

 

 

Noho io antony io indrindra no mbola hanampian`izy ireo tohana ara-bola ho an`ny Firaisamim-pirenena SAFIDY 520,000 Euros hahafahan`izy ireo miantsoroka ny tokony hatao amin`ny tontolo fifidianana kaominaly, indrindra ny fanaraha-maso. 776 kaominina amin`ny distrika miisa 112 ao anatin’ireo faritra 22 eto Madagasikara no hanapariahana ireo mpanara-maso fifidianana 4 100 avy amin`ny fiarahamonim-pirenena SAFIDY mandritra ny fizotry ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Anisan`ny olana hatramin`izay ny tsy fahatomombanana isan-karazany na eo anivon`ny fokontany na eo anivon`ny mpifidy, indrindra eo anivon`ireo kandidà handray anjara.  Mandritra ny fifidianana kaominaly ho avy izao, ny Ivon-toerana SAFIDY dia hifantoka amin’ny fanaraha-maso ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra, ny fizotry ny fifidianana, ny fikirakirana sy ny fanambarana ny vokatry ny fanaraha-maso ny fifidianana, ny fifanolanana amin’ny fifidianana, ny lalàm-pifidianana  ary ny tamberin’andraikitra takiana. Manana anjara andraikitra lehibe amin`ny fampandraisana anjara amin`ny fifidianana ihany koa ny olo-pirenena mba hisian`ny fifidianana ara-demokratika hametrahana ny tena fampandrosoana marina. Nanamafy i Harijaona Andriamoraniaina, mpandrindra ankapobeany ny Safidy fa ilaina ny fametrahana fiaraha-miasa eo amin`ireo rantsana samihafa hampangarahara ny fifidianana. Mba hampivoarana azy io sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ireo rafitra mpikarakara ny fifidianana, ny SAFIDY dia nametraka sampana hanao tantsoroka ny mpanara-maso, ny firaisamonim-pirenena ary ny olompirenena eo amin’ny lafiny lalàna sy fomba fitorohana. 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana