Dans la mme rubrique

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

15/10/2019

Resin’ny tanam-polo ny dahalo 30 nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika.

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

15/10/2019

Efa naverina amin'ny tompony ao Satra Tanandava ny omby miisa 56 raha maty voatifitra ny 3.

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

Hamaky ny tohiny...

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

11/10/2019

Tratra teny amin’ireo roalahy mpamaky trano ny fitaovana entina mampihorohoro izay hotafihany, dia ny basy kilalao sy antsy lava iray.

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

11/10/2019

Rehefa nohadihadian’ny polisy ireo lehilahy roa, 20 sy 25 taona voasambotra teny Ambatomaro sy Makoline/Ambohimahitsy ny

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana ao Mahajanga Tratra ireo nahafaty mpialasasatra

11/10/2019

Misy faritra mena fanendahan’ireo jiolahy mpanindrona antsy any Mahajanga, tahaka ny any Tsararano.

Fanendahana ao Mahajanga Tratra ireo nahafaty mpialasasatra

Hamaky ny tohiny...

Hiondrana any Italia an-tsokosoko Kaomorianina 2 sarona tany Nosy Be

11/10/2019

Teratany kaomorianina roa nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Italia sy tsy manana taratasy ho eto Madagasikara no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sisin-tany PAF Nosy Be, ny 8 oktobra teo tamin’ny 6ora sy 30mn maraina.

Hiondrana any Italia an-tsokosoko Kaomorianina 2 sarona tany Nosy Be

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMANDROSO RN7 Zazarano vavikely enim-bolana hitan'ny fokonolona

10/10/2019

Mbola mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ny nahavanon-doza.

AMBOHIMANDROSO RN7 Zazarano vavikely enim-bolana hitan'ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Olona ara-panambadiana Olona 11 indray maty noho ny gidragidra

08/10/2019

Olona 11 no indray namoy ny ainy vokatry ny tsy fitovian-kevitra tamina fisaraham-panambadiana tao amin’ny fokontany Anonobe, Kaominina Emagnabo Distrikan’i Tolagnaro Faritra Anôsy ny faran’ny herinandro lasa teo.

 

 

 Raha ny fizotry ny raharaha tamin’ny ankampobeny, dia lehilahy iray avy ao an-toerana no nanambady vehivavy avy any Esira-Amboasary Atsimo. Nanapa-kevitra ny nampiaka-bady vehivavy hafa izy io, kanefa ny fombafomba amin’ny fisarahana tamin’ilay vadiny teo aloha tsy tontosa. Noho izany indrindra no nahatonga ny Dina Be izay jado na malaso niova fa avy any Esira fiavian’ilay vehivavy vadiny teo aloha. Ho sazin’ilay rangahy dia nisy ny fitakiana omby maro ho onitra tamin’ny tsy fanatanterahana ny fombafomba amin’ny fisaoram-bady. Nanda an’izany ny fianakavian-dRalehilahy, ka nandrahona ny handroaka ny omby teo an-tanàna ny an-kilany mpampihatra dina. Nanomboka teo ny disadisa sy gidragidra niafara tamin’ny vono olona. Lasibatra ireo mpampihatra ny dina avy any Esira, ka nahatonga an’io faty olona 11 be izao io. Ilaina ny Dina fa tokony hoeken’ny rehetra ary nandalo fankatoavana avy amin’ny ambaratongam-pahefana no ampiharina eny amin’ny fiarahamonina hialana amin’izay disadisa mety niseho, hoy ny Governoran’ny faritra Anôsy Hatefindrazana Jerry tao amin’ny tambajotran-tserasera manoloana ity toe-draharaha ity. Naneho fiondrehana am-panajana manoloana ireo aina nafoy ny tenany, ary nankahery sy mitondra fampiononanan iany koa ho an’ireo havany maty sy nanainga ny rehetra mba samy ho tony manoloana ny zava-nitranga ary manentana hatrany mba samy ho hentitra amin’ny fanarahan-dalàna. Hatreto dia mbola atahorana ny hisian’ny valifaty tsy ampoizina teo anatrehan’ity raharaha ity.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana