Dans la męme rubrique

BASY POLETA 9mm

07/10/2019

Basy poleta 9mm no nampiasaina tamin’ny fanafihana ny farmasia Ivato.

BASY POLETA 9mm

Hamaky ny tohiny...

SAHIRANA NY MPANALA FANADINANA

02/10/2019

Tao anatin’ny oram-be tanteraka no nirava ny mpianatra izay avy niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea omaly.

SAHIRANA NY MPANALA FANADINANA

Hamaky ny tohiny...

TRANO NIPETRAHAN-DRAINILAIARIVONY

01/10/2019

Trano nipetrahan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony tamin’ny 1863 ka hatramin’ny 1895 ilay niteraka olana tetsy Amboditsiry.

TRANO NIPETRAHAN-DRAINILAIARIVONY

Hamaky ny tohiny...

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

RAHARAHARAH-CKIKIY

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MPIBATA ENTANA NIFAMONO

08/10/2019

Nifamono ny samy mpibata entana tetsy Ambanidia. Olona iray no maty rehefa voatsatoky ny antsibe teo amin’ny tendany.

 

 

 Resa-bola izay tsy nifanarahana ny antony ary nitarika fifamaliana teo amin’izy roa lahy. Tezitra ny iray izay tsy mbola ampy taona akory (17 taona) ary naka ny antsin’ny mpivarotra anana teo akaiky teo. Notsatohany tamin’izany avy hatrany ilay tovoilahy iray hafa izay 22 taona. Nijininika ny ra ary nezahina nentina teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy. Voasambotra ihany ny nahavanon-doza rehefa nifanenjehan’ny olona.


POLISIN’NY PAF

Taorian’ny fandisoana ny vaovao navoakan’ny gazety an-tsoratra L’express de Madagascar avy amin’ny fitondrana dia vao mainka koa nitombo ny olona nitsangana ho vavolombelona. Nanamafy izy ireo tamin’ny nanaovan’ny polisin’ny PAF azy teo amin’ny seranam-piaramanidina dia ny fanasarotana ny fandehanana izany avy amin’ny fitadiavana taratasy lavareny. Tsy voatery ho any amin’ny tany Arabo no nandehanana fa noraisina an-tendrony ny fampiharana ny tapaky ny filankevitry ny minisitra ary dia maro ireo izay ahiahiana fotsiny dia nilana vaniny, raha araka ny fanazavan’ireo niharany.

TENY IVATO NY FILOHA

Tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly ny filoha Andry Rajoelina nijery ifotony ny fomba fiasan’ireo polisin’ny sisin-tany; izany no natao dia noho ny fimenomenomana sy ny fitarainana maro voarain’ny tompon’andraikitra ny amin’ny toetra tsy zaka ataon’ireo polisy sy ny endrika fanakantsakanana na fanasarotana ny fandehanan’ny olona hivoaka an’i Madagasikara ka mampasiaka azy ireo amin’ny fitakiana taratasy. Nanentana ny mpiasa teny an-toerana ny filoham-pirenena mba hanao ny asany ao anatin’ny fanajana ny fahalalahan’ny hafa.

 

 

 

AROFENITRA MILA AMBOARINA

Mila amboarina ny arofenitry ny fiadidiana ny Repoblika. Maro ankehitriny ny mampifangaro tsy satry an’i Lova Ranoromaro Hasinirina, talen’ny kabinetra vaovao, amin’ny « première dame » na ny vady andefimandrin’ny filoha. Ny antony dia eo akaikin’ny filoha Andry Rajoelina hatrany izy tato ho ato amin’izay mety ho fivoahana ampahibemaso. Izy rahateo dia misy itovitovizana amin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny endriny sy ny vatany. Efa betsaka ny fanamarihana fa vehivavy avokoa no manodidina ny filoha ao an-dapa ao ary nalaza aza ny hoe miady an-trano izy ireo.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY

Tena mibahana tanteraka ao an-tsain’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny ekipany fa tsy izy ireo no tompon’antoka tamin’ilay olan’ny bakalorea. Nisy nanao fanahy iniana nanakorontana iny fanadinana iny, hoy izy ireo. Tsy manaiky ho diso mihitsy ny ministera momba ity raharaha ity raha ny fomba fanazavan’ny sekretera jeneraly satria niniana natao iny fa tsy olan’ny fandaminana avy amin’izy ireo. Mikasa ny hanome sazy faran’izay haingana ho an ‘ireo nahavanona iny fanakorontanana ny ministera. Tsy hisy eto amintsika mihitsy izany hoe rehefa tsy mahavita dia mametra-pialàna.

FANAMBARAM-PANANA

Solombavambahoaka 2 amin’ny 151 no nahavita ny fanambaram-pananan’izy ireo ka nanatitra izany eny amin’ny HCC hatramin’izao; dia i Andriamanalinarivo Raymond Michel Jocelyn, Solombavambahoaka IRD voafidy tao Antananarivo I, sy i Milavonjy Andriasy Philobert, ny Solombavambahoaka tsy miankina voafidy tao Ambovombe Androy.



 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana