Dans la męme rubrique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

03/06/2020

93 tapitrisa dolara mahery ny trosantsika amin’ity taona ity tokony haloha, ka 12 hatramin'ny 13 tapitrisa isam-bolana ny tokony ho fanefana izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

03/06/2020

Minisitra dimy no nanao ny tatitra ny zava-bitany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly teny amin’ny CCI Ivato.

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

Hamaky ny tohiny...

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

03/06/2020

Ny alin’ny alatsinainy 01 jona teo tamin’ny 9 ora no nandrenesanay fa voasambotra ny filohan’ny fikambanana Soluma, Berija Ravelomanantsoa , hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Riana Rakotonirina.

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

03/06/2020

Fanamarihana hatry ny ela tsy ny fahamatorana ara-potoana ho an’ny fanaovana fandaharana manokana mikasika ny hamehana ara-pahasalamana.

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

Hamaky ny tohiny...

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

03/06/2020

Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ ny praiministra omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely.

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hajasoa Razanakoto Pascal Tena hampandroso an’Ambohimangakely

07/10/2019

Vonona ny hampandroso ary hitondra ny kaominina Ambohimangakely ho any amin’ny tena fampandrosoana,

 ny kandidà Hajasoa Razanakoto Pascal na Haja Boum avy amin’ny antoko TIM. Nambarany fa manana vina entina hampandrosoana ny kaominina izy raha ny programan’asa nambarany, saingy, tsy fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, hoy izy, fa efa vonona ny hampandroso tanteraka ny kaominina i Haja Boum miaraka amin’ireo mpanolotsainy, raha ny fanazavany. Voalazany fa manana paikady entina hitondrana ny kaominina ho fitaratra amin’ny fampandrosoana  amin’ny lafiny rehetra izy.  Araka ny fanazavany, zanak’Ambohimangakely izy ary tsy zoviana amin’ny mponina amin’ny asa sosialy izay efa nataony. Ezahina ny hampidirana jiro amin’ny fokontany mandrafitra ny kaominina, mba tsy hisian’ny olana tamin’ny bakalorea teo, izay niainan’ireo mpiadina tamin’ny labozia. Efa ao anaty programany ny famatsiana jiro. Jerena koa ny lafiny fitaterana izay mampimenomenona ny mponina. Ambohiangakely mandroso no filamatra, hoy izy ary nahazo tso-drano tamin’Atoa Marc Ravalomanana filoha mpanorina ny antoko izy ary izy ihany no kandidà TIM tokana natolotry ny birao foibe sy ny KOM-TIM, raha ny fanazavany hatrany.

 

Sitraka r.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana