Dans la męme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra mĂ´tĂ´

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra mĂ´tĂ´

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Besarety Ny lakan-drano tsentsina no mahatonga ny tondra-drano

07/10/2019

Ny lakan-drano tsentsina no mahatonga ny rano miakatra eny Besarety na dia amboarina aza ny lalana, hoy ireo mpanamboatra lalana eny an-toerana.

 

 

 Ny toe-tsain’ny olona mihitsy no mila ovana, hoy izy ireo, satria manary fako, sachet, tavoahangy plastika sy ny fako avy any an-trano avy no ariana any anaty lakan-drano, ka mahatonga ny fahatsentsemana, hany ka rehefa avy ny orana dia miakatra ny rano. Toy izany ny rano niakatra teny Besarety nandritry ny orana nikija, ny talata lasa teo. Hamboarina beton ny lalana eny Besarety amin’izao ary maharitra 15 taona eo io, hoy ireo teknisianina teny an-toerana ary tsy atahorana ny hiakaran’ny rano, fa ny lakan-drano kosa dia tokony hanadio ary tsy hanary fako ao anatiny ireo mponina. Natao hajaina ny lalàna fa natokana ho an’ny daholobe izany, ka tokony hanaja ny fananana iombonana ny rehetra, na lalana io na lakan-drano na tatatra, hoy hatrany ireto mpanamboatra lalana ireto. Nambaran’izy ireo, fa ny fako sy ny rano avy any Antanimora, Ampandrana no mivarina any Besarety sy Andravoahangy, Masikara, ka mahatonga ny fiakaran’ny rano. Misy vava-rano  eny Besarety na “Valeé de l”Est”, ka tokony ho 16 metatra tsimivadimandry io vava-rano io na 16m2, fa amin’izao dia  2m2, ka mora miakatra ny rano. Marihana fa amin’ny faran’ity volana oktobra ity no vita tanteraka ny lalana eny Besarety, hoy hatrany ireto mpiasa ireto.

Sitraka r.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana