Dans la męme rubrique

MPIBATA ENTANA NIFAMONO

08/10/2019

Nifamono ny samy mpibata entana tetsy Ambanidia. Olona iray no maty rehefa voatsatoky ny antsibe teo amin’ny tendany.

MPIBATA ENTANA NIFAMONO

Hamaky ny tohiny...

SAHIRANA NY MPANALA FANADINANA

02/10/2019

Tao anatin’ny oram-be tanteraka no nirava ny mpianatra izay avy niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea omaly.

SAHIRANA NY MPANALA FANADINANA

Hamaky ny tohiny...

TRANO NIPETRAHAN-DRAINILAIARIVONY

01/10/2019

Trano nipetrahan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony tamin’ny 1863 ka hatramin’ny 1895 ilay niteraka olana tetsy Amboditsiry.

TRANO NIPETRAHAN-DRAINILAIARIVONY

Hamaky ny tohiny...

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

RAHARAHARAH-CKIKIY

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

BASY POLETA 9mm

07/10/2019

Basy poleta 9mm no nampiasaina tamin’ny fanafihana ny farmasia Ivato.

Tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana no afaka mitazona izany ary tsy vitan’izay aza fa mbola nalatsak’izy ireo teo koa ny bala ambiny izay tsy mbola nampiasaina ary misy laharana. Raha tena alefa lavitra ny fanadihadiana dia tsy maintsy fantatra ny toby nivoahan’ireo fitaovam-piadiana ireo sy ny olona nitazona izany tamin’io andro nanafihana io. Matetika anefa ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana no minia mikipy sao ho lasa ady eo amin’ny samy vondron’ny mpitandro ny filaminana, ary dia vitavita foana ny raharaha.

QATAR AIRWAYS

 Nandamoka ny fikasan’i Andry Rajoelina nitodika tany amin’ny kaompania Arabo Qatar-Airways mba hahafahana manajanona haingana ny fifanarahana amin’ny kaompania Renioney Air Austral. Efa ratsy loatra ny lazan’ny fitondrana malagasy amin’ny tsy fahamatorana eo amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa, toy izay itorian’ny Air France ny kaompaniam-pirenena amin’izao fotoana. Efa mailo ny kaompania maneran-tany ary dia tsy nisy vokany ny dian’ny irak’i Andry Rajoelina tany Doha farany teo.

MANALA AZY NANGATSIAKA

Nangatsiaka ny hetsika manala azy vita bakalorea. Endrika iray izany manaporofo fa kivy ny mpianatra amin’ny zavatra nanjo azy ireo. Very ny 11 volana izay nikirizana tany an-tsekoly kanefa noho ny hetraketraky ny fitondrana tsy mahay ny asany dia mikorotan-tsaina ny mpiadina ary tsy afaka ny namoaka ny tena fahaizany noho ny zava-misy noho ny laza adina nivoaka mialoha ny fotoana, ny fanadinana natao tao anatin’ny alin’ny haizim-pito sy ny sisa koa. Famotehana tanteraka ny fanabeazana ny zava-misy ankehitriny.

NIJORO HO VAVOLOMBELONA

Taorian’ny fandisoana ny vaovao navoakan’ny gazety an-tsoratra L’express de Madagascar avy amin’ny fitondrana dia vao mainka koa niroborobo ny olona izay nijoro ho vavolombelona. Nanamafy izy ireo tamin’ny nanaovan’ny polisin’ny PAF azy teo amin’ny seranam-piaramanidina dia ny fanasarotana ny fandehanana izany avy amin’ny fitadiavana taratasy lavareny. Tsy voatery ho any amin’ny tany Arabo no nandehanana fa noraisina an-tendrony ny fampiharana ny tapaky ny filankevitry ny minisitra ary dia maro ireo izay ahiahiana fotsiny dia nilàna vaniny, raha araka ny fanazavan’ireo niharan’izany.


 

# Mila amboarina ny arofenitry ny fiadidiana ny Repoblika. Maro ankehitriny ny mampifangaro tsy satry an’i Lova Ranoromaro Hasinirina, talen’ny kabinetra vaovao, ho « première dame ». Ny antony dia eo akaikin’ny filoha Andry Rajoelina hatrany izy tato ho ato amin’izay mety ho fivoahana ampahibemaso. Izy rahateo dia misy itovitovizana amin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny endriny sy ny vatany. Efa betsaka ny fanamarihana fa vehivavy avokoa no manodidina ny filoha ao an-dapa ao ary nalaza aza ny hoe miady an-trano izy ireo.

# Tena mibahana tanteraka ao an-tsain’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny ekipany fa tsy izy ireo no tompon’antoka tamin’ilay olan’ny bakalorea. Nisy nanao fanahy iniana nanakorontana iny fanadinana iny, hoy izy ireo. Tsy manaiky ho diso mihitsy ny minisitera momba ity raharaha ity raha ny fomba fanazavan’ny sekretera jeneraly  satria niniana natao iny fa tsy olan’ny fandaminana avy amin’izy ireo. Mikasa ny hanome sazy faran’izay haingana ho an’ireo nahavanona iny fanakorontanana ny minisitera. Tsy hisy eto amintsika mihitsy izany hoe rehefa tsy mahavita dia mametra-pialàna.


# Governemanta tsy mba miray hina ny mpikambana ao anatiny rehefa misy ny tsy fetezana eo amin’ny minisitera iray. Hita taratra izany tamin’ity raharaha bakalorea izay nahasaringotra ny minisitry ny fampianarana ambony. Tsy mba nisy nitsangana nanohana azy ny minisitra sasany fa dia navela tao anaty ny tsy fanomezam-baovao sy fitoniana ireo mpianatra. Velon-taraina ireo ray aman dreny noho ny nataon’ny fanjakana satria toa tsy nomena lanja mihitsy ary toa odian-tsy hita ny olana izay olam-pirenena anefa. Ny minisitry ny serasera no nasaina niteny tamin’ny onjam-peo ary dia mbola nasesiny tao indray fa fanakorontana no nitranga fa kosa tsy fahaizan-draharaha.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana