Dans la mme rubrique

Ady amin`ny kolikoly Hotsirihana i Madagasikara

18/11/2019

Tonga eto amintsika ireo delegasionina roa avy amin`ny Vondrona Afrikanina, ny komitin`ny Vondrona Afrikanina misahana ny kolikoly (CCUAC) sy ny fikambanana ireo rafitra miady amin`ny kolikoly eto Afrika (AAACA),

Ady amin`ny kolikoly Hotsirihana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

15/11/2019

Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

15/11/2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

Hamaky ny tohiny...

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

14/11/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Arlette Ramaroson « Mety hiitatra io raharaha Tanamasoandro io »

07/10/2019

Vao tamin’ny 28 septambra isika, hoy ny mpitsara iraisampirenena, Arlette Ramaroson no nankalaza ny andron’ny zo hahafantatra.

 

 

 Manana zo hahafantatra mikasika ny tetikasa Tanamasoandro ny vahoaka malagasy fa tsy ny vahoakan’Ambohidratrimo na Ambohitrimanjaka ihany. Mety hiitatra ity raharaha ity, hoy izy. Raha mahita ny ranomason’ny vahoaka aho dia mametra-panontaniana hoe efa natao ve izay fampahafantarana izay ? Aiza ny boky na « cahier de charge » mikasika an’io ? Avoahy ny fifanarahana rehetra na « contrat » ? Moa ve nanao sonia daholo ny olona nakana tany ary manaiky ny tetikasa ? Lazaina koa fa Ampefiloha natao toy izao. Tadidio fa tamin’izany tsy mbola nitsangana i Antananarivo ary mbola nisy toerana hototofana tao sy Analakely. Ahoana no tsy azo hihodivirana ireo toerana voalaza fa tsy maintsy hanitarana an’Antananarivo ? Sao dia mbola misy faritra hafa tokony hojerena fa tsy tanimbary lazaina fa efa an’1000 ha no simbana kanefa hanao tanimbary no tetikasa ? Hampahafantaro, hoy ity mpitsara ity, hoe ohatrinona isaky ny m2 no omena ireo olona ary firy ny tany anaovana fifanarahana amin-dry zareo ? Ambohitrimanjaka izany dia toerana feno vakoka misarika mpizahatany azo hampidiram-bola ho an’ny firenena koa fanampin’izay ka raha misy tombontsoa mihoatra toy izany dia aleo izay no fidiana, hoy izy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana