Dans la mme rubrique

Masoivohontsika any ivelany Tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa…

18/10/2019

Tsy voaloa ny karaman’ireo mpiasam-panjakana miasa amin’ny masoivoho Malagasy maromaro any ivelany.

Masoivohontsika any ivelany Tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa…

Hamaky ny tohiny...

Ambohitrimanjaka Nandriaka ny ra, raikitra ny fifamonoana

18/10/2019

Sakoroka sy ra mandriaka no nanamarika an’Ambohitrimanjaka omaly takariva.

Ambohitrimanjaka Nandriaka ny ra, raikitra ny fifamonoana

Hamaky ny tohiny...

Fandraharahana amin’ny teknolojia Hanampy ireo tanora ny hetsika « Devfest »

18/10/2019

Hotanterahina eny amin’ny zone Futura Andranomena ny 26 sy ny 27 oktobra ho avy izao ao amin’ny Nexta ilay hetsika

Fandraharahana amin’ny teknolojia Hanampy ireo tanora ny hetsika « Devfest »

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny fotodrafitrasa Hapetraka tsy ho ela ny politikam-pirenena

18/10/2019

Ny Alarobia 16 sy Alakamisy 17 Oktobra 2019 no natao tao amin’ny Holidays Amborovy Mahajanga ny atrik’asa iraisam-paritra fakan-kevitra,

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN5 Ny vadin’ny Depiote Robert no tena voa mafy

18/10/2019

Tsy misy ahiana ny ain’ny Depiote Robert na nisy folaka aza ny tanany sy ny tratrany ary voadona ny lohany fa ny vadiny no voa mafy noho ny ratra sy dona mafy nahazo ny lohany ka nitarika ny tsy fahatsiarovan-tsaina.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN5 Ny vadin’ny Depiote Robert no tena voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly an-jatony miliara Efa tafatsoaka any Frantsa i Peta

16/10/2019

Voarohirohy amina kolikoly avo lenta an-jatony miliara ariary Rtoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard na Peta.

Kolikoly an-jatony miliara Efa tafatsoaka any Frantsa i Peta

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Andohanimandroseza Mpiasan’ny Jirama ihany no nampangalatra herinaratra

04/10/2019

Trano lehibe iray, ahitana rihana roa, ao amin’ny fokontany Andohanimandroseza no tra-tehaka noho ny fangalarana herinaratra.

Raha ny fanazavan’ny mpitsirika dia ny taona 2017 no notapahana ny herinaratra tao amin’ity trano lehibe ity noho ny tsy fandoavany ny faktioran’ny JIRAMA. Rehefa natao anefa ny fitsirihana dia mbola nihodina hatrany ilay kaontera hatramin’ny  faran’ny  septambra teo. Rehefa nanontaniana ny tompon-trano dia nilaza fa mpiasan’ny orinasa JIRAMA ihany no namerina ny herinaratra tao aminy rehefa avy nitaky vola 6 hetsy ariary tamin’ny tompon-trano. Nandray ny andraikiny, nanala ilay kaontera avy hatrany moa ny mpitsirika ary nandefa fampiantsoana ho an’ilay tompon-trano sy ilay mpiasan’ny JIRAMA voatonontonona tamin’izao halatra izao. Araka ny fitsipika eo anivon’ny orinasa JIRAMA dia hampanonerana izay sandan’ny herinaratra nampiasainy, ilay tompon-trano. Raha toa ka mandà ny marimaritra iraisana izy dia hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ny orinasa JIRAMA. Raha tsiahivina, nahatratra 351 ny fitsirihana notanterahina teo anelanelan’ny volana febroary sy jolay 2019. 257 ny hosoka tratra raha 91 kosa ny halatra. Mitentina hatramin’ny 708 960 751 ariary kosa ny vola niverina tamin’ny orinasa JIRAMA tamin’ny fanaovana fitsirihana ny taona 2018 ka hatramin’ny jolay 2019.

Haja Nirina

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana