Dans la mme rubrique

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

16/10/2019

Mety ho antony tsy nampiharan’ny fitondrana teo aloha ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalàna, Rivellino Ravelomahazo,

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

16/10/2019

Niditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena ka afaka hampita ny heviny ireo depiote Tiako I Madagasikara (TIM)

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

16/10/2019

Araka ny and. faha-75 ao anaty lalàmpanorenana dia misy ny fampiantsoana fivoriana ara-potoana, haharitra 60 andro, izay atrehin’ireo solombavambahoaka.

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

16/10/2019

Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra sady minisitry ny raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian.

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

15/10/2019

Notanterahina ny sabotsy 12 oktobra lasa teo tao Ambohipeno ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidan’ny antoko TIM ho an’ny kaominina Ambohimanambola.

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Constant Raveloson

04/10/2019

“Mifameno tsara ireo foto-kevitra telon’ny Tia Tanindrazana” “Teboka telo ny tarigetra heverin’ny antoko TIA Tanindrazana

 

 

mampandroso ny firenena dia ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana ary ny teknolojia. Izany no ain-dehibe heveriny ho zava-dehibe raha izy no eo amin’ny fitondrana”, hoy i Constant Raveloson, mpanao politika. Zava-dehibe tokoa ireo satria mifameno. Teboka lehibe voalohany ny fanabeazana toy ny fanofanana arak`asa. Noraisiny ohatra ny niainana tamin`ny orinasa Sheritt. Voatery niantso filipianina 1 500 isika kanefa resaka “soudure” no atao izay tena nahamenatra. Teboka lehibe faharoa ny fitsinjaram-pahefana. Mifanontany ny olom-pirenena manoloana ny fanendrena governora raha mifanaraka amin`ny lalàmpanorenana na tsia. Inona no zava-dehibe tamin`iny fanapahana iny ? Hitsinjara fahefana sa hametrapetraka tompomenakely ? Misy goverora misahana ny faritra maromao. Izy ity ve ilay mpangorona fahefana amin’ny tampony any ka mba tsinjaraina amin`ny tompomenakely ? Ireo dia hampiomanina amin’ny fifidianana manaraka eo. Fotoana izao ilana fitsinjaram-pahefana. Ny fitsinjaram-pahefana dia fandraisana fahefana any ifotony no tena hamaritana azy, hoy izy. Raha ny fomba hitondrany azy io dia fitsanjarana tompomenakely. Dia ho avy ihany ny fanampiana tsy ampoizina “subvention exceptionelle”. “Izany ve ho fitsinjaram-pahefana”, hoy hatrany ny fanamarihany. Mahakasika ny teknolojia kosa dia  izay tsy handroso dia hihemotra amin`io. Ny rahararaham-panjakana dia tsy maintsy atao hahomby amin`izay hahazava azy mba hampangarahara ny asam-panjakana na “controle citoyen”. Notsipihany manokana fa ny olom-pirenena tsirairay dia tokony hojerena izay fomba hahatonga ho tena andrimaso sy hanabe olom-pirenena. Tsy tokony hiandry eny amin`ny BIANCO akory. 10 taona ny antoko Tia Tanindrazana ka afaka manamasaka ireo tarigetra ireo. Notsindrin-dRaveloson Constant ihany koa fa amin`izao fifidianana izao dia tsara ampianarina miady amin`ny hosoka ireo kandidà ben`ny tanàna sy mpanolotsaina.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana