Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ranary Lala Berthin Erckman Hitondra rivo-baovao ho an’Andoharanofotsy

03/10/2019

Ny zava-misy ao amin’ny tanànan’Andoharanofotsy no nandrisika ahy hilatsaka ho ben’ny tanàna noho ny fijalian’ny mponina sy ny fikorontanana be ihany tao anatin’ny fandrosoan’ny tanàna,

 

 

izay tsy dia hita loatra tao anatin’ny 4 taona, hoy ny kandida  Ranary Lala Berthin Erckman na Gasy, kandida atolotry ny Antoko Tia Tanindrazana ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy. Fitiavana ny tanindrazana sy fijoroana handray andraikitra hametraka fanamby ho amin’ny fampandrosoana no nanosika, hoy izy. Lojika raha mpikambana ao anatin’ny antoko Tia Tanindrazana sy mirotsaka amin’ny anarany satria tena zava-dehibe ny vina sy tanjona ho amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena hiara-handray andraikitra sy handray an-tànana ny ho avin’ny firenena voizin’ny antoko, raha ny nambarany. Zava-dehibe ny fanabeazana, ny fitsinjaram-pahefana izay tena antoky ny fandrosoana ny firenena, ary indrindra ny teknolojia izay manamarika ny vaninandro sy tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona amin’izao fotoana izao. Fanamby hapetrak’ity kandida ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Andoharanofotsy ity dia ny fandrosoan’ny fiainan’ny olona eny ifotony mihitsy, toy ny mpivarotra izay manana olana, maro ny sahirana sy mijaly izay ezahina hikarohana vahaolana ny lafiny asa sy fihariana,… Ny tanora dia mila famoronan’asa ka hiezaka ny hitondra vahaolana toy ny fampianarana azy ireo izy amin’ny alalan’ny fiofanana momba toy ny taozavatra, zaitra, informatika,… mba hahafahan’ny olona handroso sy hiady amin’ny tsy fahalalana ary hahita asa, hoy hatrany Ranary Lala Berthin Erckman.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana