Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ankasina 67 Ha Rongony mitentina 2 tapitrisa ariary no tratra

02/10/2019

Avy any amin’ny faritra Atsimo ireo rongony mitentina 2.000.000 Ariary izay tratra teny 67 ha. Lehilahy telo no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy, ny 27 septambra lasa teo, teny Ankasina, tamin’ny resaka trafikana rongony.

 

 

 Ny 26 septambra, nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy miasa ao amin’ity sampana miady amin’ny zava-mahadomelina ity izay nilaza fa misy olona mivarotra rongony eny Ankasina. Natao ny fanarahana sy ny vela-pandrika ka lehilahy telo no tra-tehaka teny Ankasina, 67 ha ny zoma teo tokony ho tamin’ny 1 ora sy fahefany tolakandro niaraka tamin’ny rongony 2 gony sy  valizy 1; mitotaly 33 kg sy 500 grama moa ireo zava-mahadomelina ireo. Fantatra fa ny iray amin’ireo voasambotra ireo no tompon’ny rongony, ny iray kosa mpanelanelana ary ny 1 mpividy sy mpaninjara.  Nahazo vahana ny trafikan’ny zava-mahadomelina tato ho ato. Tra-tehaka ireo mpivarotra sy ny sahan-drongony fa ny tompon’ny saha sy ny  atidohan’ny tambazotran’ny asa ratsy  mbola mijanona ho mistery hatrany. Anisan’ny tsy mampilamina iny 67ha iny ity rongony nitobaka eny an-toerana ity.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana