Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ny CNaPS ao Mananjary Notokanana ny biraon’ny Masoivoho vaovao

01/10/2019

Tafapetraka ny 27 septambara teo ny lanonam-pametrahana ny masoivohon’ny CNaPS ao Mananjary natrehan’Atoa Rakotomila, Directeur Administratif (DA) ao amin’ny (CNaPS),

 

nisolotena an-dRtoa Tsaboto Joslina, Tale jeneraly vonjimaika notronin’ireo manampahefana ara-panjakana sy miaramila. Tonga tao Mananjary ny CNaPS tamin’ny taona 1990 tamin’ny alalan’ny tendro napetraka tao Masindrano, ary izao nivelatra kokoa izao. Ny CNaPS dia manatona ny vahoaka tahaky ny fametrahana tranoheva 3 tao Bazary Tanambao, Andovosira ary teo amin’ny Tranompokonolona Masindrano. Hetsika natao nandritra ny andro voalohany ny lanonana tao Mananjary hanalana olana ny vahoaka te hifandray aminy mikasika izay tsy mazava hanatsarana ny fiahiana ny mpiasa. Nisy ny fanolorana omby iray ho an’ny vahoaka ao Mananjary tamin’ny anaran’ny CNaPS. “Sady fitsinjovana ny fiavian’ny Faritra vaovao no fametrahana lanja ny vahoaka manontolo izao ary fitsinjovana ny fiainan’ny mpiasa ara-tsosialy sy toekarena amin’ny lafiny mangarahara”, hoy ny ben’ny tanàna. “Sampana vaovao hanampy ireo sampana maro efa misokatra ato amin’ny faritra izao. Efa tombony manokana ny ao Ifanadiana misahana an’Ikongo sy Ifanadiana. Ny eto Mananjary kosa hisahana an’i Nosy-Varika sy Mananjary amin’ny fiarovana ny zon’ny Mpiasa takian’ny Politika Ankapoben’ny fanjakana. Tsy hisy intsony mpiasa Malagasy ho very zo na amperinasa na efa misotro ronono”, hoy Rtoa Razafimandimby Herilala, Talem-paritra Vatovavy-Fitovignany ny asa, fampananan’asa, asam-panjakana ary lalana sosialy raha mitondra hafatra avy amin-dRtoa minisitry ny asa, mpiahy ny CNaPS. Nambarany koa ny faniriany hijoroan’ny foibe misahana ny lalàna sosialy sy ny asa ary ny fampananan’asa ao Mananjary tahak’izay misy ao Manakara.

 

Toky R

  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana