Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Famakiana fitaratra fiara Norahonan’ilay jiolahy daroka hazo ireo mpisambotra azy

01/10/2019

Tsikaritry ny tompona fiara iray ny famakiana fitaratra fiarakodia izay horobain’ny jiolahy ka niantso fokonolona izy.

Nanampy koa ireo manodidina tamin’ny fisamborana azy. Ireo olona nikasa nisambotra azy kosa anefa nambanany tamin’ilay hazo  ka voatery niantso ny Polisin’ny CSP3 . Noentina hatao fanadihadiana avy hatrany eny amin’ny paositry ny Polisy ilay lehilahy iray , 52 taona monina ao Namontana Anosibe Antananarivo . Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boroboritany faha-telo ny 29 septambra teny  Ankadivato izy io nohon’ny resaka famakiana fiara. Fiaraha-miasa amin’ny fokonolona sy ny fokontany no nahasamborana ity lehilahy ity ny 29 septambra 2019 lasa teo. Tratra niaraka amin’ny bolabolan-kazo na “bois rond” misy fantsika ity rangahy ity ary  fiara niantsona an-tsisin-dalana teny Ankadivato no saika norobainy ny tao anatiny.  Nahita faisana ireo fiara teny an-toerana tato ato.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana