Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fisafoana mandritra ny alina Lehilahy telo mitondra antsy lava no tra-tehaky ny polisy

01/10/2019

Manoloana ny fitarainan’ireo mpiasa tafody alina amin’ny fanendahana miaro fandrahonana zava-maranitra, nanatanteraka avy hatrany ny fisafoana amin’ny alina ny polisin’ny hery vonjy taitra

 

 

 

 

 

na FIP, manerana an’Antananarivo Renivohitra hitandroana ny filaminana. Lehilahy 26 taona miisa roa sy tovolahy 16 taona iray no voasambotry ny polisy ny hery vonjy taitra na Force d’intervention

de la Police nanao fisafoana teny amin’ny faritra 67ha ary natolotra ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny 67ha ny alakamisy 26 septambra lasa teo tafiditra ao anatin’ny «opération coup

d’arrêt» noho ny fitondrana antsy lava miisa telo. Tao anatin’izany fisafoana amin’ny alina izany indrindra no nifanena tamina lehilahy miisa telo ny polisy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina teo ka tsy nisalasala nanadihady sy nisava azy telolahy. Nahitana antsy tsirairay avy tany amin’izy ireo ka avy dia nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria ny boriborintany fahafito izy ireo nanaovana fanadihadiana. Fantatra ary fa any Antsalovana izy ireto no nipetraka saingy izao hita teny amin’ny 67ha izao amin’ny andro alina ary mbola nahitana ireo zava-maranitra ireo ihany koa. Miezaka mitety ny lalam-be sy ny faritra mena ary ny elakela-trano ny polisy hamerenana ny laoniny ny filaminana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana