Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filaharana ao anaty bileta tokana Raikitra ny antso ho amin’ny fanitsiana azy

01/10/2019

Ekena fa « scrutin séparé » na misaraka ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna, hoy ny manampahaizana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, Julien Andriamorasata,

 

 izany hoe misy vata fandatsaham-bato miisa 2 amin’ny fifidianana ary samy hafa koa ny « Panneaux d’affichage » natokana ho an’ny praopagandy. Ny fisarihana ny nomeraon’ireo kandida kosa dia ny CENI, no mandamina azy. Na ilay didim-panjakana 2019 – 15/41 tamin’ny 14 aogositra 2019 aza, izay fampiharana ny lalàna fehizoro 2018 -008 tamin’ny 11 mey 2018 dia tsy mametraka ny fepetra tokony hanaovana io fisarihana io. Mahagaga anefa, hoy ny fanazavany fa nataony misaraka ary manjary mampikorontana ny sain’ny olona ilay fisarihana tamin’ity satria manokana ny nomeraon’ny kandida ben’ny tanàna ary hafa koa ny an’ny mpanolotsaina. Efa nisy ny tsy fahatombanana tamin’ny fifidianana ary nihena ny taham-pahavitrihana dia mbola asarotina ihany, hoy izy, ilay fomba fifidianana. Tsy mbola tara anefa raha mamoaka naoty hamerenana ny fisarihana ny CENI. Ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha 6, Todisoa Andriamampandry, moa dia nanao antso ny amin’ny hijerena io resaka laharana io hampilamina ity fifidianana ity. Fifidianana mangarahara sy madio, hoy izy, no tadiavin’ny vahoaka. Raha vao hafahafa io dia vao mainka mbola hihena indray ny mpifidy. Adidy masina ny mifidy ary midika tsy fahatokisana ny mpitondra sy mpanao politika intsony ny tsy fahatongavan’ny vahoaka mifidy. Ho an’ny antoko politika Tiako I Madagasikara manokana, hoy hatrany ity kandidan’ny TIM ity, dia olona manana etika daholo ireo kandidany ireo ary manana foto-kevitra hampandrosoana ny kaominina ilatsahany tsirairay avy. Na ny lisitra koa aza, hoy izy, mila diovina fa raha mbola ilay taloha no miverina dia minoa ahy ianareo fa fahamenarana ho an’ny nosy manontolo no hitranga.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana