Dans la męme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Mila mitandrina

01/10/2019

Tsy misy zavatra tongatonga ho azy amin’ny politika fa misy ny kajy sy ny paikady mipetrapetraka.

 

 

 

Ny sary miseho anio dia mety tsy ho izay no tena tanjona fa lalan-kizorana mankany amin’ilay tena izy na hoenti-manakona izany mihitsy. Samy mahay mampiasa sy milalao ny serasera an-tsary, an-tsoratra am-bava ireo mpanao politika sokajiana fa manana ny maha izy azy eto Madagasikara amin’izao fotoana. Ary matetika tsy mionona amina tanjona iray, fa efa mivonona hiampita any amina tanjona iray goavana sy manan-danja kokoa.Mahafantatra tsara izany ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina satria avy mpandraharaha izy, lasa ben’ny tanàna, nitarika ny hetsika tamin’ny 2009, lasa filohan’ny tetezamita, nipetraka taona vitsy tany ivelany, niverina an-tanindrazana ary lasa filoham-pirenena indray avy eo.Efa mitovitony tamin’izay ihany ny an’ny filoha Marc Ravalomanana teo alohany.Tato ho ato izay anefa na dia tsy mbola feno herintaona akory aza ny fitondrana IRD dia efa re fa misy tsy fitoviana fomba fijery ao, misy ankolafy ankolafy, misy ireo mahatsapa fa voahilika.Misy koa anefa ny miasa sy miketrika ary efa manana vina lavitra any amin’ny 2023 fa tsy hoe resaka fifidianana ben’ny tanàna amin’ity 2019 ity fotsiny.Ny mpanohitra efa io iaraha-mahita io fa tsy tafahetsika firy…izany hoe raha misy ny fitsimbadihan’ny rasa, dia tsy avy aty ivelany fa avy ao anatin’ny samy mpitondra fanjakana ihany.Maro no mahita fa diso kajy i Andry Rajoelina, na mety be kajy loatra sy jamban’ny zavatra tsy hay marina hoe inona ka nosongonan’ny sasany mora foana.Maro ireo mpanefoefo efa niara-dia taminy hatramin’ny 2007 fony izy ben’ny tanàna, ankehitriny sady mpanefoefo no lasa manampahefana , efa mitombo traikefa amin’ny politika izy ireo ka mahazo tsirony ka misy ny tena te hitondra ny baolina amin’izay fa tsy ho eo ambany fahefan-dRajoelina foana.Ity farany moa dia sanatria efa “Prezida” anarana fotsiny sisa fa tsy tompon’ny fanapahan-kevitra rehetra intsony ary tena azo atao mihitsy hoe nijabaka.Mbola tsy afaka aminy rahateo ilay laza ratsy hoe mpanongam-panjakana, ny mpamatsy vola miahiahy hatramin’izao; atao litania ny programanasa toa nofinofy goavambe…fa aiza ny vola hanatanterahana azy ? Ny olona miha mimenomenona satria miha lafo ny vidim-piainana; mikatso ilay hoe “TGV” haingam-pandeha ary raha tsy mitandrina sy mailo i Andry Rajoelina dia tena hihanjahanja irery eo, dia ho tavela farany.Ny antokony TGV, novaina ho MAPAR avy eo hoe IRD efa tsy hita fototra mazava intsony hoe ahoana marina; ny olony efa manomboka sempotra na koa efa nifindra lasy sy nanangana ekipa hafa.Hoy ny mpandinika ny raharaha politika izay hoe : io fa miverina ny tantara satria tena goavana ny sangodim-panina politika amin’izao.Asa raha fantatr’i Andry Rajoelina ihany io na efa gadran’ny rindrin’efatry ny lapa izy ka tsy mahalala ny tena zava-misy marina intsony !

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana