Dans la męme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ho avy ny fifidianana Raikitra indray ny an-kizarazara

01/10/2019

Mbola amin`ny 27 novambra izao ny fifidianana kaominaly sy monisipaly, nefa mandeha sahady ny fampielezan-kevitra ataon`ny antoko sasany sy ny fitondrana.

 

 

Hazakazaka mialoha ny fotoana. Misy tsy mahandry tantana. Araka ny lalàna manan-kery eto, ny 06 novambra no hanombohan`ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana ben`ny tanàna saingy tsy misy mahandry intsony. Efa mandeha ny fampielezan-kevitra ataon`ireo olona hilatsaka. Ny fifanenjehana eo anivon`ny facebook ataon`ireo kandidà moa tsy tenenina intsony Tsy ambakan`io ihany koa ny eo anivon`ny fitondram-panjakana. Pi-maso tsy misy mihoatra ireny natao tany Fianarantsoa ny sabotsy lasa teo. Mandrapahoviana no tapitra ny propagandy ataon`ny filoha Rajoelina ? Tsy efa vita ve ny fifidianana Filoha ? Manana filoha tokana tokoa ve ny Malagasy ? Ravahana volomboasary avokoa ireo toerana lalovan`ny filoha Rajoelina, hatramin`ireo fanomezana toy ny fonon`ireo zezika nomena ireo tantsaha tany Ambalavao. Mazava ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha-49 izay milaza hoe: “Ny asan`ny filohan` ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin`ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana”.  Ny filoham-pirenena dia andrim-panjakana fa tsy manana loko volomboasary. Tafiditra ao anaty propagandy tanteraka ny fitondram-panjakana. Ho avy ny fifidianana kaominaly sy monisipaly dia izao indray fa niverina ny “tsena mora”. Tsiahivina fa tao anaty propagandin`ny kandidà Rajoelina no nisian`ny tsena mora saingy rehefa vita ny fifidianana, dia nanjavona. Handeha indray ny fifidianana monisipaly dia izao mivoaka indray ny “Tsena Mora” Ara-dalàna sy ara-drariny ve izany ? Raha miteny hoe voararan`ny lalàmpanorenana kanefa minia mandika ny filoham-pirenena dia mampieritreritra hatrany ny hoe sao misy manipy hoditr’akondro ny Filoha ? Pi-maso tsy mihoatra izany. Manambitamby sy mampanantena ny vahoaka izay efa tena miendrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tahaka izao. Hanairana ny sain`ny mpanao lalàna ny famaritana izany.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana