Dans la męme rubrique

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

16/10/2019

Fiverenana an-doharano. Manoloana ny tsy fanarahan-dalana hita eo amin’ireo mpitandro filaminana, tapa-kevitra tanteraka ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa atomboka amin’ireo mpianatra ny fisorohana izany.

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

15/10/2019

Resin’ny tanam-polo ny dahalo 30 nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika.

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

15/10/2019

Efa naverina amin'ny tompony ao Satra Tanandava ny omby miisa 56 raha maty voatifitra ny 3.

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

Hamaky ny tohiny...

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

11/10/2019

Tratra teny amin’ireo roalahy mpamaky trano ny fitaovana entina mampihorohoro izay hotafihany, dia ny basy kilalao sy antsy lava iray.

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

11/10/2019

Rehefa nohadihadian’ny polisy ireo lehilahy roa, 20 sy 25 taona voasambotra teny Ambatomaro sy Makoline/Ambohimahitsy ny

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Andravoahangy Ramatoa iray tratra nampiasa vola sandoka

30/09/2019

Vehivavy zokiolona iray no heverina fa hanapitra ny andro sisa hiainany any am-ponja.

 

 

 

 

Hita amin’ny vola mantsy, hatramin’ny vola sandoka izay ampiasain’izy ireny ny soratra fa “helohin’ny lalana

mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka”. Renim-pianakaviana iray, efa mananika ny 53 taona, no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP3 Antaninandro teny amin’ny faritra Andravoahangy ny

alarobia 25 septambra teo noho ny fampiasana vola sandoka. Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no nividy entana tamina mpivarotra enta-madinika izy, tsikaritr’ity farany fa sandoka ilay vola 20.000 ariary natolony. Niantso polisy avy hatrany izy, ka nosamborina avy hatrany ilay vehivavy nanome vola sandoka. Nahazo vahana ity asa ratsy ity tato ho ato. Miandahy miambavy ny mpanatanteraka ny fampiasana vola hosoka. Mitaky fahamalinana hatrany izany. Fomba fiadin’izy ireo ihany koa no miaraka maromaro ary manatona mpivarotra izay hitany fa sahirana irery mandray olona ka mividy zavatra izy ireo na manakalo vola. Amin’ny andro hariva, somambisamby efa miha maizina nefa tsy mbola mampiasa jiro toy izao no fanatanterahan’ireo mpanao trafika ana vola sandoka ny asa ratsiny. Miasa fatratra ny polisin’Antaninandro, tsy vitsy koa ireo olon-dratsy tratra tamin’iny faritra Andravoahangy iny.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana