Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

CENAM 67HA Voasambotra ilay mpanenjika vehivavy amin’ny sabatra

30/09/2019

Zava-maranitra no entin’ny jiolahy iray manenjika olona, indrindra vehivavy am-pandehanana lehilahy iray,

 

 

 

 

 26 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Isotry ny

26 septambra teo teny 67ha CENAM iny resaka fanendahana. Ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro dia nanenjika vehivavy iray niaraka tamin’ny sabatra ny lehilahy iray.

Tsy nahazo na inona na inona izy tamin’izay fa nitsoaka nanavo-batana ilay vehivavy ary niditra tao anaty toeram-pisakafoanana «gargotte» iray teny an-toerana. Nitsofoka tao ihany koa ilay mpanendaka ka nampihorohoro ny olona tao. Niantso ny polisy avy hatrany ireo olona tao amin’ny fivarotan-tsakafo masaka. Nirifatra nitsoaka anefa ilay lehilahy nitana antsy ka tamin’ny telo ora tolakandro vao hitan’ireo polisin’ny CSP4 nihaodihaody teny amin’ny faritry 67 ha ary dia nosamborina avy hatrany .

 

Mpamerin-keloka

Nandritra ny fisamboran’ny polisy dia nanamafy ireo mponina eny an-toerana fa ity lehilahy ity no anisan’ny tompon’antoka amin’ny fanendahana eny an-toerana. Efa nigadra teny Antanimora tamin’io resaka fanendahana io hatrany moa ity farany. Nofonjaina ny zoma teo mandra-pahatonga ny fotoam-pitsarana azy ity mpanendaka mitam-piadiana ity.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana