Dans la męme rubrique

PARAKY SOANIERANA Fatin-dehilahy nihohoka tao anaty tatatra

16/10/2019

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hita faty nihohoka tao anaty tata-drano tetsy Paraky omaly.

PARAKY SOANIERANA Fatin-dehilahy nihohoka tao anaty tatatra

Hamaky ny tohiny...

Fandehanana fiaramanidina eto Tsy mba natao ho an’ny Gasy kely mahatra...

15/10/2019

1 100 000 ariary ny saram-piaramanidina Antananarivo-Toliara. 1 200 000 ariary indray, Antananarivo-Sambava. Raha hihazo an'i Toamasina miainga eto Antananarivo dia 500 000 ariary.

Fandehanana fiaramanidina eto Tsy mba natao ho an’ny Gasy kely mahatra...

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Tsy rariny intsony ny havoretrana...

15/10/2019

Mivalan-drano etsy sy eroa, manary fako eny rehetra eny... Santionany ireo.

Antananarivo Renivohitra Tsy rariny intsony ny havoretrana...

Hamaky ny tohiny...

AMPANGABE - ORINASA MPANDRENDRIKA VY Tratra nampiasa zaza tsy ampy taona

15/10/2019

Orinasa iray mpandrendrika vy eny Ampangabe eny no fantatra fa tratra nampiasa zaza tsy ampy taona, ankizy izay mbola tokony hianatra sy hovelomin-dray aman-dreniny.

AMPANGABE - ORINASA MPANDRENDRIKA VY Tratra nampiasa zaza tsy ampy taona

Hamaky ny tohiny...

AMBANDRIKA – MANAKARA Trano 585 tafo indray kilan’ny afo

15/10/2019

Trano 585 tafo no indray kilan’ny afo hotohoto tsy nisy noraisina intsony omaly atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambandrika, kaominina ambanivohitr’i Manakara.

AMBANDRIKA – MANAKARA Trano 585 tafo indray kilan’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Manakara Olona 54 voapoizina ara-tsakafo

15/10/2019

Olona manodidina ny 54 no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Manakara amin’izao fotoana izao, noho ny fanampoizinana ara-tsakafo nohanin’izy ireo.

Manakara Olona 54 voapoizina ara-tsakafo

Hamaky ny tohiny...

Olan'ny jiro sy rano Grevy eny Faravohitra anio

11/10/2019

Tapitra ny fe-potoana 72ora nomen’ny mponina eny Faravohitra nanomboka tamin’ny talata teo, nanaovany hetsika nanairany ny fanjakana amin’ny famahana ny olan’ny famatsiana rano.

Olan'ny jiro sy rano Grevy eny Faravohitra anio

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fahaleovantena ara-tsakafo Hampitomboina avo efatra heny ny voka-bary

30/09/2019

Tantsaha amina tokantrano miisa 1 600 ao amin`ny kaominina dimy (Ambonanindovoka, Ambohimahamasina, Ambohimandroso,

 

 Vohitsaho ary Besoa) ao amin`ny faritra Matsiatra Ambony no notoloran`ny Filoha fitaovam-pamokarana toy ny zezika 74t sy fitaovana fambolena « motoculteurs » miisa 100. Tanjona ny fampitomboana ny voka-bary avo efatra heny entina hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo izay ao anaty vinam-pampandrosoana IEM, hoy ny filoha Rajoelina nandritra ny lahateniny. Fanamby ny fahaleovantena ara-tsakafo ka noho izany, mila hampiana ireo mpamboly, ireo tantsaha, ireo mpamokatra. Misy ny “champ-ecole-producteur”, hoy izy, izany hoe eny an-tsaha no atao ny fampianarana ahafahana mampitombo ny vokatra. Fahavitan-tena ara-tsakafo miainga amin’ny fanampiana ireo tantsaha, ahafahana mamokatra vary 5 taona isaky ny hektara farafahakeliny. Hisitraka fotodrafitrasa toy ny fanamboarana CEG manara-penitra, tsena ary ny fanajariana ireo lalana mampitohy ireo kaominina ao an-toerana ihany koa ny distrikan’Ambalavao. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fanatsarana ny lemaka any amin`io distrika io. Tsy misy afa-tsy ny fiarahana miainga eo amin`ireo tantsaha Malagasy sy ny mpitondra no hahatafavoaka ka hahafahana ho mahaleotena ara-tsakafo. Tsy hianona fotsiny amin`ny fidradrana hoe mivelona amin`ny fambolena sy ny fiompiana ny 80%-n`ny malagasy satria tsy mahavelona izany. Tsy afaka mamokatra ho an`ny vahoaka iray manontolo izy ireo. Mila manampy ny fanorenana, fanamboarana, fitantanana ary fikolokolona ireo fotodrafitrasa eny ambanivohitra anefa ny fanjakana. Laharam-pahamehana tokoa ny fiezahana hahamatihanina ny tantsaha eo amin`ny sehatry ny fambolena ahatongavana eo amin`ny fahaleovantena ara-tsakafo saingy mifanohitra amin`izay ny zava-nisy nandritra izay sivy volana nitondran`ny filoham-pirenena. Ohatra ny vary: vahaolana fohy ezaka sy tsy mitondra fampandrosoana eo amin`ny firenena ny fanafarana vary ataon`ny fanjakana hampidinana ny vidim-bary. Tsy mahavita ny fampidinana ny vidiny akory izany vahaolana fohy ezaaka izany. Mahazo tombony mihoapampana ny orinasa mpanafatra saingy mihena hatrany kosa ny fahefa-mividy vary ho antsika ary mosarena mihitsy ny faritra sasany. Manana vina maharitra ve ny fanjakana sa tandrametaka fotsiny manoloana ny fahaleovantena ara-tsakafo ?

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana