Dans la mme rubrique

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

16/10/2019

Mety ho antony tsy nampiharan’ny fitondrana teo aloha ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalàna, Rivellino Ravelomahazo,

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

16/10/2019

Niditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena ka afaka hampita ny heviny ireo depiote Tiako I Madagasikara (TIM)

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

16/10/2019

Araka ny and. faha-75 ao anaty lalàmpanorenana dia misy ny fampiantsoana fivoriana ara-potoana, haharitra 60 andro, izay atrehin’ireo solombavambahoaka.

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

16/10/2019

Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra sady minisitry ny raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian.

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

15/10/2019

Notanterahina ny sabotsy 12 oktobra lasa teo tao Ambohipeno ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidan’ny antoko TIM ho an’ny kaominina Ambohimanambola.

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Sehatra iraisam-pirenena Resin`i Ntsay lavitra Rajoelina

30/09/2019

Nihaona sy niresaka tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian nandritra ny diany niatrika ny Fivoriambe faha-74 ho an’ny Firenena Mikambana.

 

 

 Fotoana nisaoran’io Lehiben’ny ONU io ny fizorana am-pilaminana tamin’ny fifandimbiasam-pahefana tamin’ny fifidianana Filoha farany teo. Noresahin’ny roa tonta ny mahakasika ny fanampiana an’i Madagasikara ahitana ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana lovain-javy sy ny vina mijery lavitra hampihenana ny faharefoan’ny firenena manoloana ny fiovaovana ara-toetr’andro. Fihaonana maro no nifanaovan`ny praiminisitra lehiben`ny governemanta, Ntsay Christian tamin`ireo tompon’andraiki-panjakana sy lehibena fandaharanasa iraisam-pirenena mandritra ny diany any New-York. Voaresaka tao ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika amin`i Irlande sy fanatsarana ny famokarana ara-bary eto Madagasikara. Maniry hanatsara fifandraisana amin`i Madagasikara ny filoham-pirenena Irlande, Michael D. Higgins nandritra ny fihaonana tamin`ny  praiminisotra ny 26 septambra lasa teo. Nojerena ny sehatra azo hiaraha-miasa toy ny fampianarana, ny fanofanana ara-teknika sy ny fizahantany, fanaovana jery todika amin`ny fifandraisan`i Madagasikara sy Amerika indray no nifantohan`ny adihevitra nandritra ny fihaonana tamin`ny lefitry ny sekretariam-panjakana amerikanina. Fantatra fa mpandraharaha maro no liana hampiasa vola eto Madagasikaraka anisan`ny sehatra misokatra amin`izany ny angovo, ny fizahantany, ny harena ankibon`ny tany, ny fambolena ary ny fotodrafitrasa. Noresahina koa ny fanjakana tsara tantana, ny fampanjakana ny demokrasia, ary ny fitandroana ny fanajana ny zon`olombelona. Nahazo fankasitrahana manokana i Madagasikara, indrindra manoloana ny ady amin`ny fanondranana olona sy fampiasana zaza tsy ampy taona. Ny fanamafisana ny fiaraha-miasan`i Madagasikara amin`ny FAO indray no votoatin`ny fihaonan`ny PM tamin`ny tale jeneraly misahana ny fambolena sy ny sakafo eo anivon`ny Firenena mikambana. Tamin`izany no nahafantarana fa hisy tetikasa mitentina  20 tapitrisa dolara hanatsarana ny famokaram-bary eto Madagasikara sy any Sina. Teboka maro manodidina ny fanatsarana ny  sehatry ny fambolena no voaresaka toy ny ady amin`ny valala sy olatra mpanimba voly, fampiasana masomboly nohatsaraina ary ny ady amin`ny fiovaovan`ny toetrandro. Farany ny fihaonan`ny praiminisitra tamin`ireo tompon’andraikitry ny sambo hopitaly  Mercy Ships . Ankoatra ny fanohizana ny fampiantsoanana ny sambo ho amin`ny taona ho avy, mikasa hametraka birao maharitra ity fikambanana misehtra amin`ny lafiny fahasalamana, indrindra ny fandidiana ka hisy fiaraha-midinika amin`ny minisiteran`ny  raharaham-bahiny sy  fahasalamam-bahoaka momba izany. Ny sabotsy 28 septambra moa no nandray anjara fitenenany ny praiministra Ntsay Christian ka niompana taminà teboka telo lehibe ny lahateniny: fanamafisana ny demokrasia, fanjakana tsara tantana ary ny fiandrianam-pirenena; ady amin`ny fahantrana lalina; ary ny fiovaovan`ny toetr`andro. Voaporofo indray fa tena hatokisan`ny iraisam-pirenena ity praiminisitra ity nandritra ny diany any New-York izay hanatanterahana ny fivoriamben` ny Firenena Mikambana. Maro rahateo ny olom-pirenena milaza fa olon`ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Ntsay Christian, noho izy niasa nandritra ny taona maro tao amin`ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT), sampandraharaha lehibe iray eo anivon`ny Firenena Mikamba.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana