Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fianarantsoa Toaka 2653 litatra sy rongony 20 kg nodorana

27/09/2019

Olona felo tra-tehaky ny mpitandro filaminana no anisan’ny atidohan’ny aferan-drongony 20 kilao sy toaka 2653 litatra, tamin’ny lalan’i Fianarantsoa.

 

Omaly 26 septambra tao Tsaramandroso, Fianarantsoa no notanterahina ny fandorana ireo toaka gasy sy rongony tratran’ny Zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny BPR na Brigade de police de la route Fianarantsoa tamin’iny lalam-pirenena faha-25 iny. Araka ny fanambaran’ny komandà BPR dia mitotaly 2653 litatra ireo toaka gasy ireo ka mitsinjara toy izao 1075 litatra amin’io dia fitambaran’ny toaka tratra nandritra ny volana aprily ka hatramin’ny aogositra 2019, ny 1578 lilatra kosa tratra nanomboka ny 15 ka hatramin’ny 22 septambra 2019, olona 8 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity ary efa samy namita ny saziny avokoa dia ny fandoavana ny lamandy tany amin’ny ivotoeran-ketra «centre fiscal» izany. Rongony milanja 20 kg kosa no mbola saron’ny BPR tany Ambalalova Iaritsena distrika Ambalavao ny 13 aogositra lasa teo ka olona 2 no voasambotra tamin’izany ary efa natolotra ny fitsarana ary efa voatazona vonjimaika any am-ponja. Ka araka ny lalàna manankery dia tsy maintsy dorana sy potehina avokoa ireo eo anatrehan'ny manampahefana.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana