Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao “Ny lalàmpanorenana no ambony indrindra”

27/09/2019

Vao handinika ny didim-panjakana momba ny fanendrena ireo governoram-paritra ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao.

 

 

 Isika dia mijanona ao anatin`ny ara-dalàna ary ny fanjakana no mila ara-dalàna voalohany, hoy izy. Anjaran`ny parlemantera tokoa no mijery an`izany ka raha misy ny tsy mety dia hiteny izahay. Raha mety moa dia mba ho tombontsoan`ny firenena. Mamerina hatrany i Rivo Rakotovao fa ny Antenimierandoholona dia tsy natao ho mpanohitra ny tombontsoan`ny firenena akory fa hijery ny fanarahana lalàna. Notsindriny manokana kosa fa ny lalàmpanorenana no lalàna fototra ary ambonin`ny lalàna rehetra ka aleo arahina. Mahakasika ny tetikasan`ny filoha Rajoelina “Tanamasoandro”, izay miteraka resabe,  dia nitondra ny heviny izy. Isika ve tsy te handroso ? Mandroso isika fa ny adihevitra no tokony hatao saingy kosa tsy mandrakizay. Tsy maintsy tsinjovina kosa ny hevitry ny besinimaro ao anatin`ilay izy. Isika kosa anefa raha tsy te handroso amina tetikasa fampandrosoana dia ho sahiran-dava. Tsy maintsy miroso ny fitondram-panjakana fa kosa tsy tokony hanao fanitsiana amin`ny fanoherana ny vahoaka (reforme contre le peuple). Izany no manahirana raha eo amin`ny iraisam-pirenena. Eritreretin`ny olona fa ilay fanitsiana entin`ny fitondram-panjakana dia tsy mipaka amin`ny vahoaka maro an`isa. Noho izany, mila mahay mandresy lahatra ny fanjakana hoe tombontsoan`ny vahoaka maro an`isa ho amin`ny fampandrosoana. Mety tsy ho tsapa izao dia izao ny fampandrosoana toy ny fahasahiantsika mitrandraka ny harena ankibon`ny tany ao anaty mangarahara, hoy hatrany ny fanazavana.

 

 

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana