Dans la mme rubrique

Ady amin`ny kolikoly Hotsirihana i Madagasikara

18/11/2019

Tonga eto amintsika ireo delegasionina roa avy amin`ny Vondrona Afrikanina, ny komitin`ny Vondrona Afrikanina misahana ny kolikoly (CCUAC) sy ny fikambanana ireo rafitra miady amin`ny kolikoly eto Afrika (AAACA),

Ady amin`ny kolikoly Hotsirihana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

15/11/2019

Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

15/11/2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

Hamaky ny tohiny...

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

14/11/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ampandrana Bel’Air Nisokatra nanomboka omaly ny “PHO Resto”

26/09/2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 25 septambra 2019 ny “PHO Resto” etsy Ampandrana Bel’Air.

 

 

 

 Mampisongadina ny sakafo sy nahandro vietnamianina, izay no nahatonga ilay anarany satria ny hoe : “Phô” dia lasopy mampiavaka ity firenena iray ity, manasongadina ny tsirona henan’omby.Mikarakara sy mandroso endri-tsakafo hafa ihany koa anefa ny “PHO Resto” ka anisan’izany ny nahandro Malagasy toy ny tripy sy henan-kisoa, ny lelan’omby nohaingoana amin’ny dipoavatra… Manomboka any amin’ny tsakitsaky, ny vary sy ny laoka atoandro, ireo lasopy sy sakafo vita amin’ny hena na akoho sy ny desera dia aroso ao avokoa. 10 minitra raha be indrindra ny fotoana hampiandrasana ny mpanjifa. Atao ho vaindohan-draharaha ny fahafahan’ny mpanjifa misakafo tsara ka hanomezana azy tolotra mifanaraka amin’izany,  hoy Razafitrimo Honty, mpitantana ity toeram-pisakafoana ity. Tombony iray  ho an’ireo mpisakafo ihany koa,  ny fahafahana mitafa amin’ity mpanakanto ity, izay mpitendry gitara beson’ny tarika Ambondrona. Tolotra manokana hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ao amin’ity toeram-pisakafoanana ity ihany koa  ny “Wifi” izay maimaimpoana ho an’ireo sady misakafo no tsy maintsy miasa na ireo mila izany tsy an-kiato. Manomboka amin’ny 11ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 9 ora alina no fotoana handraisana ny mpanjifa.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana