Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Sakaraha – Ambalavao Tsy azo handehanana alina fa mandoro fiara ireo jiolahy

25/09/2019

Manomboka amin’ny 10 ora alina dia tsy azo handehanana intsony eo anelanelan’i Sakaraha sy Ambalavao, amin’ny lalam-pirenena

 

 

 

faha fito, RN7 iny, noho ny fanafihan-jiolahy izay mahazo vahana amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny mamono olona sy mandroba fotsiny ireo olon-dratsy fa mandoro fiara ihany koa, raha tratra alina, hoy hatrany ny tatitra voaray. Tao Isalo, hoy ny fanazavana, dia nisy taksiborosy iray niharan’ny fanafihana ary saika nodoran’ireo jiolahy. Nalaky tonga ny mpitandro ny filaminana ka vaky nandositra izy ireo. Araka ny fanazavana voaray hatrany, misy mpitandro ny filaminana ao Ilakaka izay  mitandro ny filaminana amin’ireo toerana voalaza ireo, saingy, miandry “shop” sy tranon’olona ambony izy ireo. Afaka ora roa aorian’ny fanafihana niseho vao tonga izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana voaray.  Tsy milamina noho izany ny fandriampahalemana amin’iny lalam-pirenena faha fito iny fa saika nahazo vahana izany, tamin’iny herinandro iny, ka taksiborosy telo no lasibatry ny fanafihana. Marihana fa tsy tokony handeha alina intsony ireo fiara mivezivezy sy mampiasa iny RN7 iny, mba hialana amin’ny fanafihana mety hiseho, aorian’ny ora voatondro etsy ambony.

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana