Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ambovombe Androy Zaza tsy ampy taona no atidohan’ny fanafihana

25/09/2019

Zaza tsy ampy taona roa tamin’ireo tompon’ny atidohan’ny fanafihana no nidoboka am-ponja vonjimaika niaraka tamin’ireo lehilahy roa hafa.

 

 

Nitrangana  fanafihana nisesisesy tao an-tampon-tanàna’Ambovombe Androy ny volana septambra lasa teo iny. Nanao ny  fanadihadiana ny polisy mahakasika ireo fanafihana misesy nianjady tamin’ny mponina tany an-toerana ireo. Nisy ny vaovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo tany an-toerana ny 15 septambra lasa teo ka fantatra avokoa ireo olon-dratsy nanao ireo fanafihana.

Nametraka paik’ady ny polisy any an-toerana ka ny 16 septambra lasa teo dia tra-tehaky ny polisy ny lehilahy miisa efatra izay mpanao an’ireo asa ratsy ireo ka tsy ampy taona ny roa amin’izy ireo. Rehefa nohadihadiana tany amin’ny kaomisaria izy ireo dia niaiky ny heloka nataony fa izy ireo no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana nisesy tao Ambovombe. Nidoboka am-ponja vonjimaika izy 4 mirahalahy rehefa natolotra ny fampanoavana. Tsy any Ambovombe irery ihany fa saika manerana ny Nosy no mahazo vahana ny asa ratsin’ny zaza tsy ampy taona.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana