Dans la męme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitondrana IRD Efa manjaka tokana fa tsy mbola mahavita ihany

25/09/2019

Midangana ny vidim-piainana, saingy tsy manana vahaolana tena mafonja ny fanjakana.

 

 Nakarina 200 000Ar ny karama farany ambany, kanefa niakatra nanaraka izany ny vidin-javatra rehetra, indrindra fa ireo ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Tafiakatra hatrany amin’ny 90 000Ar ny vary iray gony, misy efa 8000 Ar ny litatry ny menaka, manomboka miakatra koa ny saran-dalan’ny taksibrosy, miroborobo ny sehatra tsy manara-dalàna. Malalaka amin’ny fomba hoentiny mitondra ny firenena ny fanjakana Rajoelina. Tsy misy ny gafy na ny fingampingana ara-politika mahazo ny mpitondra amin’izao fotoana, tsy tahaka ny nataon’ny ekipan’ny TGV sy ny MAPAR tamin’ny andron’i Hery Rajaonarimampianina. Vao nanomboka ny fitondrana tamin’izany, dia natao enjika adala, ary nofinganina hatramin’ny farany kanefa ny zavatra nataon’ny fanjakana HVM ihany hatreto no taingenana sy ezahina lazaina fa velirano. Tsy mitovy mihitsy ny rivotra politika tamin’izany sy ny tamin’izao satria na ireo nijoro ho mpanohitra aza dia mamela malalaka ny fitondrana hiasa an-kalalahana ary tsy manohitra fandrosoana fa manohitra ny zavatra heveriny fa tsy mety amin’ny fomba fitantanana ny firenena. Ny fanjakana indray no mihantsy ady sy manao ho anton-draharaha ny fanenjehana ny mpanohitra, raha jerena amin’ny natao tamin’ny lalàna mifehy ny fanoherana, fanenjehana sy fampandovana onitra hatrany amin’ny 10 tapitrisa ny mpanao gazety,… Naman’ny efa hivalona ny herintaona nitondrana satria ny 3 volana farany amin’ity taona ity, dia ny resaka propagandy sy fifidianana ben’ny tanàna no hitana anjara toerana goavana amin’ny raharaham-pirenena. Izay ambara fa vahaolana sy fampandrosoana mbola lavitry ny kitay ny afo, fa tsy arakaraka ny natao tany amin’ny propagandy hoe tsy miandry zato andro izany, fa tonga dia mandeha ny fampandrosoana. Tsy misy manakana sy mamingana azy, fa ilay fanjakana mihitsy no tsy misy hatokona sy tsy mahazaka firenena, ka ny manangam-pahavalo sy manangon-karena angamba no tena laharam-pahamehana ao.

 

Toky RHaut du formulaire

Bas du formulaire

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana