Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampandrosoana eny ifotony Afaka mahaleotena amin`ny alalan`ny hetra

25/09/2019

Araka ny and. 149 ao anatin`ny lalàmpanorenana, “ny kaominina dia mandray anjara amin`ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolontsaina sy momba ny tontolo iainana eo amin’ ny fari-pifidianam-paritra misy azy.

 

 Ny fari-pahefany dia mikasika indrindra ny feni-kevitry ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ary koa ny feni-kevitra momba ny fanatonana ny vahoaka, ny fampivoarana ary ny fiarovana ny tombontsoan` ny mponina”. Noho izany, ny asa sahanin` ny ben` ny tanàna sy ireo mpanolotsaina dia iankinan’ny fiainam-bahoaka andavanandro. Manana andraikitra amin`ny fanomezana alalana amin`ny fanonganana fotodrafitrasa na koa handrodana trano… Eo ihany koa ny fitakiana ny trosa na ny hetra miditra amin`ny tanàna. Ireo zavatra voakasiky ny lalàna ankapobeny mifehy ny hetra dia ny tanàna no tokony hizaka azy. Ny toerana misy indostria, ohatra, dia tsy maintsy misy hetra amin`ny ampahany miditra any amin`ny kaominina. Ny harena ankibon`ny tany dia misy ampahany miditra any amin`ny kaominina. Voalaza mazava ao amin` ny lalàna 2014-020 ao amin` ireo andininy 180 hatramin` ny 236 io fahaleovan-tena ara-bola io. Anisan` ny zava-dehibe amin` ny fampandrosoana ifotony sy ny fitsinjaram-pahefana tokoa ny fampidiran-ketra, ka andraisan` ny mponina anjara, ny fitantanana mangarahara. Anisan`izany koa ny fandriampahalemana izay mampiroboro ny fandrosoana ara-toekarena ary mety hampisongadina ny faritra.  Marihana fa mitombo hatrany ny elanelana eo amin` ny mpanankarena sy ny mahantra. Nohararaotin`ny mpanankarena ny krizy toekarena sady mbola mahazo tombony izy ireo amin` ny tsy fandoavan-ketra sahazy azy. Mila harenin`ny fanjakana ny fomba fandoavan-kevtra hahazoana famatsiam-bola hanatsarana ny raharaham-bahoaka.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana