Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanànan’Iarivo Laharana faha 2 ny TIM, faha 4 ny IRD

24/09/2019

Raha anio 24 septambra no nofaritan’ny lalàna hivoahan’ny lisitra ofisialin’ireo kandida nahafeno fepetra handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 27 novambra,

dia efa vita omaly ny atsapaka ho an’ny filaharana amin’ny biletà tokana ho an’ny eto Antananarivo sy ny kaominina maro eto amin’ny Nosy. ity ny fisarihana nandaharana ireo kandida ao anaty bileta tokana. Ato amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, dia laharana voalohany (N°1) ao anaty bileta tokana ny kandida Ralaiarimanana Elias (Tsy miankina), laharana faharoa (N°2) Randriamasinoro Tahiry Ny Rina (TIM), laharana fahatelo (N°3) Rakotoarisoa Faniry Alban (APM), laharana fahaefatra (N°4) Naina Andriantsitohaina (IRD), ary laharana fahadimy (N°5)  Andrianjoelina Feno Harison (Tsy miankina). Nangataka ireo kandida Ben’ny tanàna miisa efatra ankoatran' i Feno Harison ny mba hampitoviana ny laharana ao amin’ny biletà tokana ho an’ny kandida Ben’ny tanàna sy ny kandida Mpanolontsain’ny tanàna, ka nanaiky izany CENI. « Aoka ny lalàna no ampiharina, fifidianana roa samihafa io ka tokony hisy fisarihana roa samihafa », hoy kosa ny kandida Feno Harison. Nanamafy ihany koa i Lalatiana Ravololomanana, izay kandida lisitra tsy miankina amin’ny fifidianana Mpanolontsain’ny tanàna, fa tokony hisy fisarihana hafa ho an’ny fifidianana Mpanolontsain’ny tanàna. Noho izany, dia niverina tamin’ny heviny ny CENI, ka nirosoana ny fisarihana mitokana. Laharana  faha-2 ny IRK nandrotsaka an’i Naina Andriatsitogaina amin’io, faha-3 tahaka amin’ny filaharany amin’ny Ben’ny tanàna ihany ny APM mandrotsaka an’i Faniry Alban Rakotoarisoa, raha to aka faha-4 kosa ny TIM. Mety hanahirana kely ny mpifidy io!

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana