Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kaominina Alasora Vavahadin’Antananarivo, homena endrika miavaka

24/09/2019

Teboka telo lehibe no azo tsinjraina ny zava-bita nandritra izay efa-taona izay, hoy Marc Ramiaranjatovo, ben’ ny tanàna ao amin’ ny kaominina Alasora. Voalohany, ny fametrahana ny fepetra rehetra hamerenana ny fitantana ara-dalàna sy mahomby teo anivon’ ny

 

 

kaominina izay nahazoan` ny kaominina ny loka voalohany tamin’  ny « Prix de bonne gouvernance et de la lutte contre la corruption » tamin` ireo kaominina manerana ny nosy ny taona 2018. Faharoa dia ny fametrahana sy fanatanterahana ny vina sy tetikasa. Tao ny fametrahana ireo fotodrafitrasa fototra izay tena nilain’  ny vahoaka toy ny sekoly,… Tetikasa anankiray heverina hotanterahina ao Alasora ihany koa ny fanorenana toho-drano lehibe, hanondraka velaran-tany 400 ha ao Andriambato Antangirika. Tetikasa hiarahana amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana  (BAD) izy ity ary efa natolotr’ity farany ho an‘ny Ben’ny tanàna ny tombam-bidy hanamboarana izany toho-drano  izany, izay mitentina 8 miliara ariary.  Farany, nijery mivantana ny fiainan’ ny vahoaka ny kaominina satria niahy olona nanana tetikasa manodidina 250 ka nizarana vola 50 tapitrisa ariary nandritra ny taona 2018-2019. Ankoatr` izay, iray amin’ireo vavahady hidirana an’Antananarivo ny kaominina ambanivohitra Alasora ka manana fanamby ny hanome endrika miavaka an’ity kaominina tantanany i Marc Ramiarinjatovo. Tetikasa isan’ny hotanterahina ny hananganana ny lapan’ny tanàna vaovao, izay hanana endrika tsara tarehy. Hisy rihina 5 izy io, ka hitambatra ao avokoa ireo birao rehetra. Hanokanana toerana ho an’ny tanora sy tranom-boky ihany koa ao anatiny ary hisy efitrano roa lehibe handraisana an’ireo mpisora-panambadiana. Ankoatra izay dia hampiavaka an’ity lapan’ny tanàna ao Alasora ity ny fisian’ny trano honenan’ireo Ben’ny tanàna hifandimby. Mba hanatsarana endrika ny tanàna hatrany moa dia ho amboarina ihany koa ny tsenan’Ankadindratombo, mba tsy hameno ny lalana intsony ireo mpivarotra. Mitohy kosa ny fanamboarana ny lalankely, ny lalana sy ny tranon-tsekoly.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana