Dans la mme rubrique

Mangarahara momba ny tetibolam-panjakana Tena mbola ratsy ny naoty azon’i Madagasikara

30/09/2020

Mirafitra 2 ny antenimiera eto Madagasikara dia ny antenimierandoholona sy antenimieram-pirenena, hoy ireo fiarahamonim-pirenena. Mifidy sy tokony hanara-maso ny tetibola fidiany izy ireo.

Mangarahara momba ny tetibolam-panjakana Tena mbola ratsy ny naoty azon’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Nosy-Be Vonona handray ireo mpizahatany

29/09/2020

Nidina ifotony nijery ny fizotran` ny fiomanana amin`ny fisokafana ho an`ny mpizahatany avy any ivelany ny minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetry ny andro, Joel Randrimandranto, omaly.

Nosy-Be Vonona handray ireo mpizahatany

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa fihariana Efa namoahana 25 miliara ariary

29/09/2020

Hatreto dia orinasa miisa 392 manerana ny nosy no efa nandray ny fanohanan’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny tetikasa Fihariana na hoe “Miarina by Fihariana”, raha ny fampitam-baovao voaray momba izany omaly.

Tetikasa fihariana Efa namoahana 25 miliara ariary

Hamaky ny tohiny...

Harena an-kibon’ny tany 50 Ar no hividianana ny « Mica » any Betroka

28/09/2020

Manao antso avo amin'areo mpitondra fanjakana , indrindra ny Minisitra misahana ny Varotra , ny Minisitra misahana ny Harena akibon'ny tany ny Solombavambahoaka Nicolas Randrianasolo voafidy tany Betroka. Mitotongana izay tsy izy intsony ny vidin'ny

Harena an-kibon’ny tany 50 Ar no hividianana ny « Mica » any Betroka

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena “Tsy ho vita raha tsy eo ny sehatra tsy miankina”

28/09/2020

“Tokony jerena ny fanarenana ny toekarena indrindra ny fanampiana ireo orinasa tsy miankina izay fototry ny fampandrosoana.

Fanarenana ny toekarena “Tsy ho vita raha tsy eo ny sehatra tsy miankina”

Hamaky ny tohiny...

Tetibolam-panjakana 2021 Tsy hitarazoka intsony ny fandaniana azy ?

22/09/2020

Araka ny voafaritra ao amin` ny and. faha-75 ao anatin` ny lalámpanorenana dia “ny volana oktobra ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana indrindra amin` ny fandaniana lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana” eo anivon` ny parlemantera. Raha tsiahivina dia ny roa volana lasa no lany ny LFR 2020.

Tetibolam-panjakana 2021 Tsy hitarazoka intsony ny fandaniana azy ?

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Hiala ny Sherritt Kanadianina

15/09/2020

Hiala tanteraka amin'ny fitrandrahana nikela sy kobalta ao anatin’Ambatovy ny Sherritt International rehefa niditra teo ambany fiarovan'ny lalàna amin'ny bankiropitra any Kanada.

Orinasa Ambatovy Hiala ny Sherritt Kanadianina

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Marary ny toekarena Mitotongana hatrany ny Ariary

23/09/2019

Tsapa tato anatin’ny iray volana izao fa tsy nitsaha-nitotongana ny sandan’ny vola Malagasy ariary raha oharina amin’ny euro.

 

 

4085,69 ariary ny 1 euro tamin’ny 20 aogositra 2019, lasa 4140,28 ariary izany nanomboka ny 20 septambra lasa teo araka ny tarehimarika nalaina tao amin’ny tranonkalan’ny Banky foiben’i Madagasikara, izany hoe nisy elanelana 54,59 ariary. Tahaka izao manaraka izao io fivoaran’ny fitotongan’ny sandan’ny ariary io tato anatin’ny andro vitsy. Ny 19 septambra, ny 1 euro mira 4128,89 ariary, ny 18 septambra 1 euro mira 4126,27 ariary, ny 17 septambra 1 euro natakalo 4108,3 ariary, ny 16 septambra 1 euro mira 4122,83 ariary ary 1 euro mira 4123,8 ariary tamin’ny 10 septambra. Tsara homarihana fa 3780, 27 ariary ny 1 euro tamin’ny 10 septambra 2018 ary 3983,00 ariary izany ny faran’ny volana septambra 2018. Ankehitriny anefa dia io efa mihoatra ny 4100 ariary io ny euro iray. Tsy misy adihevitra be fa dia mazava ny resaka betsaka ny vola mivoaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana hanafarana sy hividianana entana avy any ivelany, mety handoavana trosa ihany koa saingy manify ny vola miditra…tena tsy ampy ny vola vahiny miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, ny tahan’ny fampidiran-ketra moa dia anisan’ny ambany indrindra aty Afrika ny an’i Madagasikara na dia nisy aza ny ezaka efa natao noho ny firoborobon’ny sehatra tsy manara-penitra sy ny kolikoly avo lenta. Ny fanjakana izay efa tsy manam-bola anefa dia mbola manentsina ny banga ao amin’ny jirama, ary misy fotoana tsy maintsy manefa ny volan’ireo orinasan-tsolika goavana eto amintsika. Tsy mety tonga ny famatsiam-bola hahafahana tena miasa, ary karazan’ny manao sangy ratsy ihany ny mpitondra mampanantena an’izatsy sy izaroa kanefa efa tena manify ny ao am-bata. Tsy maintsy vola vahiny no hividianana solika, fanafody sy entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) izay hafarana avy any ivelany. Inona no hitranga rehefa tsy ampy intsony  ny tahiry vola vahiny eo am-pelatanan’ireo banky eto Madagasikara ? Raha hanetsika ny azy ny ao amin’ny banky foibe, ahiana ny hikorontanan’ny tsenam-bola ka vao miha hitotongana hatrany ny ariary. Tondro iray manaporofo fa tena marary ny toekarena Malagasy izao fitotongan’ny ariary izao, 8 volana nitantanana ny firenena i Andry Rajoelina saingy tsy mbola hita manangasanga izay famatsiam-bola be hanatanterahana ny programanasany ary efa tena miha sahirana amin’ny fiainana andavanandrony ny Malagasy : tsy misy ny asa, tsy misy ny vola,  manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana izay tsy hahafahan’ny olona miasa sy mamokatra araka ny tokony ho izy.

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana