Dans la mme rubrique

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

16/10/2019

Mety ho antony tsy nampiharan’ny fitondrana teo aloha ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalàna, Rivellino Ravelomahazo,

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

16/10/2019

Niditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena ka afaka hampita ny heviny ireo depiote Tiako I Madagasikara (TIM)

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

16/10/2019

Araka ny and. faha-75 ao anaty lalàmpanorenana dia misy ny fampiantsoana fivoriana ara-potoana, haharitra 60 andro, izay atrehin’ireo solombavambahoaka.

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

16/10/2019

Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra sady minisitry ny raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian.

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

15/10/2019

Notanterahina ny sabotsy 12 oktobra lasa teo tao Ambohipeno ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidan’ny antoko TIM ho an’ny kaominina Ambohimanambola.

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Henry Rakotomalala “Hafahafa ity fifidianana ity.”

23/09/2019

Misy zavatra mampiahiahy amin’ny fomba fikarakarana fifidianana, hoy ny mpitarika ny MCFIE, Henry Rakotomalala.

900 isa mahery ny kaominina nolazaina fa tsy misy kandida, herinandro latsaka nialoha ny fikatonan’ny fandraisana ireo antontan-taratasim-pirotsahana kanefa tampoka teo dia 2 sisa no nolazaina fa tsy misy izany. Rehefa nanao fanadihadiana izahay eo anivon’ny MCFIE na ny hetsiky ny olompirenena miady amin’ny hosoka sy hala-bato dia nahita fa nomena baiko avy amin’ny minisiteran’ny atitany ny delegen’ny boriborintany rehetra any ambanivohitra hitady kandida atao ben’ny tanàna. Na koa ilay kandida ben’ny tanàna teo ihany no haverina harotsaka fa atao mahaleotena. Izany hoe kandidam-panjakana fa mahaleotena, hoy izy. Mampiahiahy koa ny famenoana dosie. Tena feno marina ve ny antontan-taratasin’ireo kandida amin’ny kaominina miisa 1695 ? Ireo olon’ny OVEC isaky ny distrika dia saika olom-panjakana. Hiandany amin’ny kandidam-panjakana ireo. Efa tsy hala-bato intsony raha ny marina no mampiahiahy anay na dia izay ary no fomba fiteny satria tokana ireo kandida any amin’ny toerana ambanivohitra misy ny maro an’isa. Ny renivohi-paritany sy distrika ihany no mety misy kandida maromaro ka antony hilazanay fa hafahafa ity fifidianana ity. Eo koa ny fanovana ireo sefo fokontany mamofompofona TIM isaky ny boriborintany, toy ireo sefo fokontany miisa 5. Maninona, hoy izy, no nesorina ny tale jeneralin’ny trano printy nasionaly. Anjaran’ny vahoaka no tonga saina ary izahay dia tsy hanaiky hatramin’ny farany raha mbola misy ny hala-bato, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana