Dans la mme rubrique

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

16/10/2019

Mety ho antony tsy nampiharan’ny fitondrana teo aloha ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalàna, Rivellino Ravelomahazo,

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

16/10/2019

Niditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena ka afaka hampita ny heviny ireo depiote Tiako I Madagasikara (TIM)

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

16/10/2019

Araka ny and. faha-75 ao anaty lalàmpanorenana dia misy ny fampiantsoana fivoriana ara-potoana, haharitra 60 andro, izay atrehin’ireo solombavambahoaka.

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

16/10/2019

Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra sady minisitry ny raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian.

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

15/10/2019

Notanterahina ny sabotsy 12 oktobra lasa teo tao Ambohipeno ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidan’ny antoko TIM ho an’ny kaominina Ambohimanambola.

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampandrosoana an’Alasora Hotohizana ny lalàntsika, hoy i Jimmy Randriantsoa

23/09/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Planet M Amboarohy Alasora ny sabotsy teo ny firotsahan-dRandriantsoa Jimmy ho kandida ben’ny tanànan’Alasora sy ireo mpanolotsaina kaominaly tarihin-dRakotomalala Benjamin, izay atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM avokoa.

 

 

 

 Nentina am-bavaka sy notsofin-drano izy ireo, izay notronin’ny mpanohana maro. Nandrisika ahy hilatsaka ho ben’ny tanàna ny fahafantarana sy ny fahatsapana, indrindra ny traikefa ananako hoenti-mamaha ny olana samihafa izay mianjady amin’ity kaominina Alasora ity, hoy i Jimmy Randriantsoa. Anisan’izany ny resaka rano, fitaterana, fampianarana, fahasalamana sy ny mahakasika ireo tantsaha, izay nijaly tao anatin’ny 3 taona noho ny tsy fidiran’ny rano avy any amin’ny tohodranon’Antangirika. Atao laharam-pahamehana ny fandriampahalemana ka hapetraka ny Borigady, hapetraka ny jiro hanazavana ny tanàna izay fanohizana ny efa nataoko ihany, hoy izy. Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany ny tenany, izay efa nahafahana nanatanteraka ireo fotodrafitrasa maro tao amin’ny kaominina Alasora, toy ny kaomisaria. Ny fanazavana ny tanàna, dia efa niara-niasa ary mbola vonona ny hiara-kiasa aminy ny « Electricité sans frontière » izay efa nisitrahan’ny fokontany maromaro jiro manazava ny tanàna. Mbola misy Jiro 3000 isa hapetraka amin’ireo toerana tsy misy izany, hoy izy. Tena hainy ary fantany ny hampandrosoana ny kaominina Alasora, ary izany no naharesy lahatra ny tenako amin’ny maha solombavambahoakan’Avaradrano ahy, hoy ny Depiote Andriambolaina Gerry. Miisa 5 ireo naniry ny hitondra ny lokon’ny TIM, fa i Jimmy Randriantsoa no voatsonga farany ary nifanome toky izy rehetra ireo fa hifanohana. Tsy ny ho ben’ny tanàna no nanosika fa ny hampandroso Alasora. Betsaka ny zavatra efa natao, ka hotohizana ny làlantsika, hoy ity kandida ben’ny tanàna vao erotrerony ity.

Toky R         

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana