Dans la mme rubrique

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

16/10/2019

Mety ho antony tsy nampiharan’ny fitondrana teo aloha ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalàna, Rivellino Ravelomahazo,

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

16/10/2019

Niditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena ka afaka hampita ny heviny ireo depiote Tiako I Madagasikara (TIM)

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

16/10/2019

Araka ny and. faha-75 ao anaty lalàmpanorenana dia misy ny fampiantsoana fivoriana ara-potoana, haharitra 60 andro, izay atrehin’ireo solombavambahoaka.

Antenimieram-pirenena Manomboka ny adihevitra mafana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

16/10/2019

Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra sady minisitry ny raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian.

Madagasikara-Kaomoro Hohamafisina ny fiaraha-misa

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

15/10/2019

« Feno 61 taona ny nahazoantsika malagasy ny Repoblika, izay tsiahivina fa azontsika tamin'ny 14 oktobra 1958.

Antoko PSD “Masina amintsika ny fototry ny Repoblika”

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

15/10/2019

Notanterahina ny sabotsy 12 oktobra lasa teo tao Ambohipeno ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidan’ny antoko TIM ho an’ny kaominina Ambohimanambola.

Kaominina Ambohimanambola Vonona sy tsara tsodrano ny kandidan’ny TIM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

 

 

 

 

Nisongadina tamin’izany ny fanambarana nataon’ny praiminisitra Ntsay Christian fa « tsy hofoanana akory ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education ) saingy hampifanarahana amin’ny vina apetraky ny filoham-pirenena sy ny zavatra takian’ny vanim-potoana misy, mba hanatrarana ireo tanjona napetraka ». Maro amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika mantsy no manampy betsaka amin’ny fanatanterahana azy io ka tsy azo foanana tampotampoka eo. Fa noresahana ihany koa ny  fiomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny tanàna, ny Plan Emergence Madagascar. Mahakasika ny fiomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna dia nanambara ny lehiben’ny governemanta fa mahatsapa ny fahatomombanana sy filaminan’ny zotra anomanantsika io fifidianana io ireo mpiara-miombon’antoka ka naneho ny fankasitrahany an’i Madagasikara. Eo amin’ny lafiny tetibola momba ny fanomanana sy fikarakarana kosa, dia volam-panjakana no nampiasaina saingy misy ihany ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny tetikasa SACEM. Eo amin’izay fikarakarana izay dia mifandrimbona ny CENI sy ireo minisitera voakasika, eo amin’ny asa fanatanterahana, ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny fitsarana. Anisan’ny nodinihina nandritra ity fihaonana faha-16 ity,  ny mikasika ny Plan Emergence Madagascar (PEM) na Programan’asa ho fisandratan’i Madagasikara izay teti-pampandrosoana mifanaraka amin’ireo vina napetraky ny filohan’ny Repoblika hotanterahina ao anatin’ny 5 taona. Nandritra ny fifanakalozana dia naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka. Nilaza ny praiminisitra fa mbola mitohy ny fakan-kevitra hijerena ireo laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana, na eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena na eo amin’ny sehatra tsy miankina, ary horaisina raha toa misy fanamarihana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka aza, ary tsy ho ela dia harafitra ilay drafi-pampandrosoana.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana