Dans la mme rubrique

Raharaha bakalorea 43 nosamborina, 6 nidoboka am-ponja,…

11/10/2019

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny famongorana ireo fanetriben’ny firenena tamin’ny famoahana ireo laza adina Bakalôrea mialoha ny fotoana,

Raharaha bakalorea 43 nosamborina, 6 nidoboka am-ponja,…

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fanabeazana sy ny Vivo Energy Hiara-hiasa amina tetika 3 lehibe

11/10/2019

Nanatanteraka fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamina mpiara-miombon’antoka maromaro, tetsy amin’ny trano boribory Anosy omaly alakamisy 10 oktobra 2019, ny Menetp “Ministère de l’Education Nationale et de l’Enseignement Technique et Professionnel”

Minisiteran’ny fanabeazana sy ny Vivo Energy Hiara-hiasa amina tetika 3 lehibe

Hamaky ny tohiny...

Bakalorea “2ème session” Mpampianatra vaovao no manomana ny laza adina

08/10/2019

Mpampianatra vaovao hafa no nantsoina hamolavola ny laza adina amin’ny “2ème session exceptionnelle” izay hatao ny 23-26 oktobra izao, ka nanomboka omaly ny fiantsoana sy famondronana azy ireo hanomana izany.

Bakalorea “2ème session” Mpampianatra vaovao no manomana ny laza adina

Hamaky ny tohiny...

Bakalorea, fiainan’ny Oniversite Andrasana ny ampamoakan’ny Seces anio

08/10/2019

Miandry ny fivoriambe izay atao anio vao afaka mamoaka fanambarana momban’ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena mikasika ny hanatontosana fihodinana faharoa amin’ny Bakalorea ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na Seces eto Antananarivo,

Bakalorea, fiainan’ny Oniversite Andrasana ny ampamoakan’ny Seces anio

Hamaky ny tohiny...

Mpianatr’Ankatso sy ny mpampianatra Tsy nifampiantso hitokona izany

08/10/2019

Manoloana ny feo mandeha fa hampiantso mpianatra hiaraka hanao fitokonana aminy anio ny Seces dia nanao fanambarana

Mpianatr’Ankatso sy ny mpampianatra Tsy nifampiantso hitokona izany

Hamaky ny tohiny...

Fanadinana bakalorea Hivaly amin’ny 19 oktobra ho avy izao

08/10/2019

Hivoaka ny sabotsy 19 oktobra ho avy izao ny valin’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny izay notanterahina nanomboka ny 30 septambra lasa teo.

Fanadinana bakalorea Hivaly amin’ny 19 oktobra ho avy izao

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Hasiana “2ème session” ny bakalorea

07/10/2019

Hisy ny bakalorea fihodinana faharoa na “2ème session” ho an’izay tsy afaka, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ilay fandaharana manokana nataony omaly, izay nisy fahatarana fa tsy arakaraka ny fotoana nomena ny vahoaka.

Andry Rajoelina Hasiana “2ème session” ny bakalorea

Hamaky ny tohiny...


Fampianarana

Tandindomin-doza ny firenena Tena marary ny fampianarana

20/09/2019

36,91% ny taha-pahafahana ho an’ny fanadinana BEPC 2019 teto amin’ny Cisco Antananarivo renivohitra raha toa ka 48,81% tamin’ny herintaona.

 

Tena niha ratsy arak’izany ny vokatra , izay azo hitarafana ny vokatra manerana ny nosy .Ny tany amin’ny faritra SAVA dia nanambara ny talem-paritry ny fampianarana fa foanana sy tsy azo ekena intsony ny kilasy nantsoina hoe « 2nd Special ».Izany hoe izay ankizy tsy afaka BEPC dia mamerin-taona ao amin’ny kilas faha 3 fa tsy asondrotra; nampioron-koditra ny nandre tany amin’ity faritra ity fa tsy nisy afa-tsy ny 11% ny mpiadina no afaka BEPC tao Sambava.Antony maro no mety mahatonga izao faharatsian’ny voka-panadinana BEPC izao : eo aloha ilay fahalavan’ny taom-pianarana, efa ho 11 volana izay tena nampikaikaika ny mpianatra satria reraka izy ireo ; nahatsapa tsara izany koa ny mpampiantra sy ny ray amandrenin’ny mpianatra.Eo ihany koa ny fiovaovana tany anay fandaharam-pianarana, fa eo koa ny mety tsy fahampian’ny fanaraha-maso hany ka manao izay saim-pantany ireo mpianatra misy tena variana amin’ny rendrarendra sy ny zavatra mbola mamoa-doza kokoa aza toa ny fidorohana zavamahadomelina sy ny firosoana amin’ny firaisana ara-nofo.Mazava ho azy fa tsy maintsy tafiditra ao ihany koa ny vokatry ny tsy fahatomombanana tany amin’ireo kilasy tany aloha.Rehefa nanontaniana ireo mpanala BEPC dia tena mampanahy be ny valiteny satriaa lazain’ny ankamaroan’izy ireo fa sarotra ny taranja Malagasy, Frantsay, Matematika, Fizika..na ny haisoratra izany na ny siantifika dia samy manahirana ny mpianatra Malagasy, ka tsy atao mahagaga raha ratsy ny naoty dia io voka-pifidianana miha ratsy io.Mila ezaka sy fanarenana goavana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara na paikady io, na fomba fiasa, na fandaharam-pianarana fa na ho feno efitrano fianarana aza isam-pokontany rehetra tsy matotra ny programa sy ny fomba hampitana azy dia zava-poana..tsy ny trano no inona fa ny olona ao anatiny.Tsy misy firenena miha mandroso izany raha toa ka miha bado ny vahoaka ao aminy…ary tsy tokony atao entam-barotra hitadiavam-bola fotsiny ny fanabeazana sy fampianarana fa sehatra iray tokony ho matotra sy faran’izay voaara-maso indrindra eto amin’ny firenena.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana