Dans la mme rubrique

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

16/10/2019

Fiverenana an-doharano. Manoloana ny tsy fanarahan-dalana hita eo amin’ireo mpitandro filaminana, tapa-kevitra tanteraka ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa atomboka amin’ireo mpianatra ny fisorohana izany.

TSY FANARAHAN-DALANA Manadio ny olony ny polisim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

15/10/2019

Resin’ny tanam-polo ny dahalo 30 nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika.

TALATA-VOHIMENA MANANDRIANA Dahalo 1 lavo, kalaky 1 azon’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

15/10/2019

Efa naverina amin'ny tompony ao Satra Tanandava ny omby miisa 56 raha maty voatifitra ny 3.

TANANDAVA BEKILY Mpiandry vala lavo, omby 56 tafaverina

Hamaky ny tohiny...

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

11/10/2019

Tratra teny amin’ireo roalahy mpamaky trano ny fitaovana entina mampihorohoro izay hotafihany, dia ny basy kilalao sy antsy lava iray.

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

11/10/2019

Rehefa nohadihadian’ny polisy ireo lehilahy roa, 20 sy 25 taona voasambotra teny Ambatomaro sy Makoline/Ambohimahitsy ny

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

 

 

Ny marainan’ny 11 septambra  tamin’ny 3 ora maraina no nahazo antso ny zandary tao Analavory fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Ambatomenaloha, kaominina Analavory ka omby vositra 4 no very.

Namonjy avy hatrany ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny fokonolona tany an-toerana. Napetraka ny paik’ady rehetra ary novonjena haingana ny  kizo Antanetimboahangy fiafenan’ny dahalo ary dia noraisim-potsiny rehefa nandroaka ireo omby sady tsy afaka nampiasa ny fitaovam-piadiana  antsy lava sy lefona teny amin’izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana