Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

 

 

 

 

 

Afak’omaly alina vao tamin’ny 8 ora sy sasany alina no nitranga ny loza. Teo Ankadilalana, fokontany Andranomalaza, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana no niseho ny fanafihana. Voa teo

ambanin’ny masony an-kavia i Pastera. Vao naharay antso ny zandary tao amin’ny borigadin’i Sadabe dia nirohotra avy hatrany nidina ifotony tany an-toerana. Nirifatra nanjavona tany anaty

haizina ireo jiolahy vao vita ny tifitra. Mbola mitohy ny fanadihadian’ny zandary raha sotasotam-piarahamonina izao na fikasana saika hangalatra. Nentina nihazo fitsaboana teo amin’ivontoeram-pitsaboana Andranomalaza avy hatrany ity pasteran’ny FJKM ity ary avy eo nentina niakatra nihazo ny hopitaly lehibe aty an-drenivohitra. Nanampy tamin’izany ny fiara tsy mataho-dalan’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana izay tsy natao hiarovana ny asan-dahalo sy iadiana amin’ny jiolahy fotsiny fa manampy ny mpiara-belona amin’ny fitondrana marary koa. Zandary roa avy ao amin’ny tobim-paritra Sadabe no nanara-dia ny marary ho fitandrovana hatrany ny fandriampahalemana sy ny filaminana teny an-dalana, nandritra ny alina. Efa tsy mifaditrovana ireo tambajotran’ny ratsy, fofoiny hatramin’ny ain’ny mpitondra fivavahana.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana