Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

 

 

Antananarivo no ivon’ny politika eto, hoy izy. Ny dikan’izay dia matanjaka kokoa sy mafimafy io. mila rivo-baovao, hevitra tsara sy matotra hitondrana an’Antananarivo. Mila miasa mafy amin’ny fanentanana ny mpifidy satria hiaraha-nahita ny fihenan’izany nanomboka tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Mila hatsaraina ny fomba fiasa atao satria niaraha-nahita fa nisy foana ny fitarainana sy fimenomenomana teo amin’ny fikarakarana. Antso avo amin’ny CENI io, hoy izy, ary izahay dia hanara-maso ny fandehan’ny fifidianana. Mipetraka foana ho anay ny ahiahy ary efa mametraka ny paikady rehetra hiadiana amin’ny halabato ary antony hanentanana ny vahoaka. Mikasika ny tsy fahazoan’ny sarambabem-bahoaka ny tena asan’ny mpanolontsain’ny tanàna kosa dia nohazavainy fa araka ny lalàna 2014 – 020 dia isan’ny asan’ny  mpanolontsaina ny manapaka ny tetibolan’ny kaominina sy ny hevi-dehibe rehetra entina hampandrosoana ny tanàna. Ohatra amin’izany ny resaka fivarotana tany, fananganana tsena, fananganana foto-drafitrasa. Toy izany koa ny findramam-bola entina miasa dia ny mpanolontsain’ny tanàna no manapaka azy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana